Ora dimy tsy an-kiato no nandalovan’ingahy Pety Rakotoniaina teo anoloan’ny fitsarana omaly izay mahakasika ireo raharaha hiampanga azy momba ny fitazonana fiarakodiam-panjakana, ary nafindra amin’ny anaran’olon-kafa ireo fiara ireo.Tokony ho afaka madiodio aho raha tsy politika no entina hitsarana ahy, hoy ingahy Pety namarana ny fiarovan-tenany tao Anosy omaly, ary ny herinandro hitsidika io no fantatra fa hivoaka ny didy momba io raharaha io ary naverina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora indray ny lehilahy miandry ny didim-pitsarana azy. Mbola ben’ny tanàna ny resaka, ho fantatra tsy ho ela amin’ity herinandro ity ny didy mahakasika ny fiampangana an’i Roland Ratsiraka, izay voampanga nanodikodim-bola tao amin’ny kaominin’i Toamasina fony izy ben’ny tanàna tany an-toerana. Raharaha roa samy hafa ny an’ireto ben’ny tanàna voalaza ireto, kanefa adikan’ny maro ho iray, satria iza no tsy mahalala azy roa lahy ireo amin’ny tsy fanekena ny tsy rariny eo amin’ny tontolo politika misy antsika ankehitriny ? Manantena ny rehetra fa hanao ny asany am-pahamarinana ny fitsarana, ka ho lavitry ny didy hafahafa ary hitoetra hatrany ny marina izay efa notandrovina hatramin’izay.
Didy hafahafa
mardi 2 octobre 2007 | 1388 visites |