Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h49
 

Teny zato, kabary arivo

Be noho ny vitsy

mercredi 3 octobre 2007 |  762 visites  | Naivo kely

Raha ny tombana ataon’ny mpitazana, dia mety ho lasan’ny antoko Tiako I Madagasikara avokoa ny toerana 120 amin’ireo 127 hiadiana etsy Tsimbazaza, izay heverina fa tsy mbola fahita eran-tany ny tahaka izao, na dia maro aza no mihevitra fa tokony hanjakan’ny maro an’isa ny sehatra toa itony, mba ahafahan’ny fitondrana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny MAP.

Ny fifidianana no vita fa ny fitarainana sy ny fitoriana apetraka eny anivon’ny HCC kosa dia mitombo andro aman’alina, ka ireo rehetra mahatsiaro ny tenany fa resy na antoko iza io na antoko iza, dia saika mitaky ny hanafoanana ny latsa-bato teo avokoa ary mangataka ny hamerenana ny fifidianana. Efa fahita hatramin’izay ny fitarainana toa itony, saingy mazana tsy ampy ny porofo entina ka herim-po very maina no hita rehefa mamoaka vokatra ity HCC ity.

Be noho ny vitsy ny kandida manana firehan-kevitra samy hafa, ary azo antoka fa tsy ho lapan’ny demokrasia intsony io lapa io, fa ho lapan’ny tsangan-tànana. Ny mpanohitra tsy tafakatra ao Tsimbazaza kosa dia hanana sehatra hafa hanehoany ny heviny sy ny tetiny, ka rehefa tsy afaka ny haneho ny heviny ao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ry zalahy sy zavavy, moa va tsy eny an-kalamanjana sy an-dalam-be indray no ho lapan’ny demokrasia ho azy ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS