Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Malagasy

Fifidianana

« Aza terena ny vahoaka », hoy i Moxe

samedi 15 mars 2008 | Naivo kely

Hifidy sa hitokona ny vahoaka ? Io fanontaniana io no mampisavoritaka ny maro, indrindra fa ny mpanao politika. Misy ny tahotra eo amin’ny tompon’andraikitra samy hafa raha toa ka vitsy ny manefa ny adidiny rahampitso. Mety hiteraka olana eo amin’ny asany izany, hoy ny mpitazana, satria tsy nahay nandresy lahatra ny mpifidy ny tao amin’ny faritra iadidiany.

Ny Teza, tarihan’ingahy Moxe Ramandimbilahatra, dia nanamafy omaly fa zon’ny tsirairay ny mifidy, ary zony feno ho an’ny vahoaka ny tsy mifidy. Tsy hifanerena io. Andraikitra feno ho an’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato no miantoka ny filaminana eo amin’ny birao izay hiadidiany. Tsy azon’ny mpitandro ny filaminana atao ny mitsofoka any anaty birao fandatsaham-bato. Tokony samy handray ny andraikiny mifanaraka amin’ny lalàna velona ny rehetra.

Mila migadra Ratsiraka

Momba ny fangatahan’ny maro ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena kosa dia nanamafy i Moxe fa izay nahavita heloka mila migadra. « Modia ianao Ratsiraka fa miandry anao ny fonja ». Efa namoaka didy momba azy ny fitsarana ka rariny raha manefa ny saziny izy. Rehefa vita ny gadrany dia afaka miverina madiodio eny anivon’ny fiaraha-monina izy. Tsy mankasitraka ny fampihavanam-pirenena ity mpanolontsaina politikan’ny filohan’ny Repoblika ity. Ny antony dia satria maro loatra ireo fananana potika teto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS