Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 18h05
 

Teny zato, kabary arivo

Aiza ny Bianco ?

jeudi 18 octobre 2007 |  894 visites  | Naivo kely

Tsy nandrenesana tatitra intsony ny birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly tao ho ao, izay làlana iray ahafahan’ny vahoaka mitazana ny tena olona amin’ny mety ho mpangoron-karena eto amintsika. Andraikitra goavana no napetraky ny fanjakana amin’io sehatra io, ary ilaina valiny haingana ny momba ireo depiote noesorina tamin’ny toerany. Ohatrinona ny volany sy ny fanany raha niakatra teo amin’ny fitondrana ry zareo ? Mby hatraiza kosa raha voahaisotra amin’ny toerany ireto olona ireto ? Nandeha indray ny fampielezan-kevitra farany teo, izay nahitana olom-panjakana maro nandray anjara tamin’io sehatra goavana io. Voajery manokana ve ny vola lany nampiasain’izy tamin’ireny sa ahoana ? Ireo fanontaniana ireo mihitsy no ilaina valiny an’ny amin’ny Bianco toy izay efa nataony hatramin’izay.

Ny tsara ho fantatra dia hoe volam-panjakana teo ambany fitantatany ve no nampiasain-dry zalahy, sa nisy olona namatsy azy, na ihany koa volany manokana ? Tsy azo lavina fa nisy ny harena nitobaka tetsy sy teroa, ka izay no andrasan’ny rehetra eo amin’ny Bianco mba tsy ho tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana. Sa mbola miala sasatra ity sehatra iray ity ka tsy afaka ny hanome ny valin’ireo fanontaniana ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS