Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h03
 

Répondre à un commentaire

27 mai 2023 à 16:03 | Besorongola (#10635)

LE COMBLE DE LA RÉCUP.
MR HO A INAUGURÉ UN BIRAOM-POKONTANY.
RAJAONARIMAMPIANINA EST SUPPLANTÉ AVEC SA FAMEUSE INAUGURATION DE TERRAIN DE BASKET.

Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena
Taorian’ny lazan’ny fandoarana « riz cantonais » dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.
26-mai-2023
Mbola tsy hita tao anatin’ny 60 taona moa, hoy ny fomba fiteny malaza izay. Araka ny tati-baovao voaray omaly dia tsy araka fitokanana zava-bitan’ny fitondrana ankehitriny tao Fianarantsoa omaly satria ankoatry ny fitokanana ny biraon’ny fokontanin’Ambatolahikosoa io dia notokanana niaraka tamin’izay ihany koa « Chapelle militaire SEMIPI », biraon’ny filaminam-bahoaka, biraon’ny asam-panjakana, lalana rarivato Antanambao – Tsitiana. Mbola hitohy anio ny fitokanana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Matetika no efa voatsikerana mpanao politika sy mpamakafaka avy amina firehana maro ny mikasika ny tsy fahafehezana arofenitra, izay zary toy ny lasa mahazatra no nahita azy tato anatin’ity fitondrana ity. Hatrany anatina tombola ve tokony hisy sarina filoham-pirenena ? Miverina foana koa ny fanontaniana hoe dia tsy misy tomponandraikitra efa voatendry tokony hanao azy ireny ve ary tsy misy andraikitra hafa manan-danja kokoa tokony ataon’ilay filoham-pirenena izay mifanitsy amin’ny sata maha filoham-pirenena azy no dia ataony hatramin’ny mandoa-bary ho an’ny traboina sy mitokana biraom-pokontany vao nolokoina volomboasary androtr’iny omaly iny ihany ? Vao omaly nialohan’ny hitokanana azy tokoa tsinona vao nolokoina volomboasary ilay biraom-pokontany raha toa ka mavo no lokony teo aloha. Aiza moa ilay filoham-pirenena no tsy hisalasala akory hiteny fa niari-tory namoron-kira ho an’ny lalaon’ny nosy ?
J. Mirija/Tia Tanindrazana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS