Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2023 à 09:41 | Saint-Jo (#8511)

Prologue .
Resaka tena mafotaka mihitsy maneran-tany amin’izao fotoana izao ny fisondritrin’ny vidim-piainana, ny tsy fahampian’ny entam-barotra ilaina andavan’andro .
Fa indindra moa momba ny hanin-ko hanim-bahoaka !
Aty amin’ny tany mandroso aty aza dia efa mikonaina ny mpanjifa fa tsy ampy ny famatsiana ka misondrotra be ny vidin-javatra !
Ny fitondrana dia mikaona sy mivaky loha mikaroka izay fomba hamahana na koa hanamaivanana ’ty kirizy maneran-tany ’ty !
Ity serasera ihaonantsika ’ty moa dia ny halatra phone, ordi, sac tao antranona depiote iray no resaka naroso omaly !

(i) Tsy ’ty DJ bac-3 Rajoelina faikam-boto ’ty mihitsy akory no hoe hitarika ny ezaka tokony hataon’ny vahoaka gasy mba handresena tanteraka ny kere sy ny mosary ary ny tsy fahampian’ny hanin-ko hanina !
Ny habadoany tamin’ny filazany ampahabemaso fa hoe
« la malnutrition est un droit fondamental du citoyen » eo ihany,
fa ny tena loza dia ny tsy fahatakaran’ny sainy fa
isan’ny andraikitra fototra lehibe ho an’ny mpitarika firenena anie
ny famokarana eto antoerana hanin-ko hanina tena ampy tsara hamokisana ny vahoaka !

(ii) Malaza ny tenin’ny « Ombalahibemaso » manao hoe : « Izaho sy ny vary dia iray ihany ! » sy ny hoe « Tsy mba olombelona no fahavaloko, fa ny mosary no fahavaloko ! » ary koa ny kabariny fampirisihany ny Ambanilanitra mba hamokatra hanin-kotrana hanampy ny vary [« Tantara ny Andriana II » tak.803, "Takelaka notsongaina II, tak.441]

(iii) Na dia i Ra8 koa aza anie ka nanova fihetsika nahasadaikatra ihany momba ity famokarana hanin-ko hanina ho an’ny vahoaka ity e !
Tamin’ny taona voalohany nitondrany ny fanjakana, dia nataony makotroka toy ny taloha ny « Santa-bary ». Ary tao amin’ny lapan’Ambohitsorihitra no nanaovana azy. Hanky va re ! hoy ireo mpanohitra azy, izay nanenjika fa hoe « mitady hamerina ny fitondran’ny Andriana Merina i Ra8 » ! Dia ny taona manaraka tokoa ary dia nilavo lefona i Ra8, ka nalavitiny ho any Ambohitrimanjaka no nanaovana ny « Santa-bary » ! Teo dia efa tokony ho tsikaritra sahady fa mifendro anie ’ty Ra8 ’ty e .

(iv) Mariho tsara anefa fa i Tsiranana dia nampirisika sy nankatoa tanteraka tokoa ny « Santa-bary » !
« Politikan’ny kibo » , hoy izy.
I DJ bac-3 Rajoelina faikam-boto indray kosa dia , na dia izay tanimbary eny Ambohitrimanjaka avy aza dia nalain’ilery hanorenany buildings ahazoany vola ho azy tenany ka ho aondrany any amin’ny banks offshore ! Aiza moa ka "ny vary volena aza dia lazain’ny ilery fa roa taona aty aoriana vao azo jinjaina’’ !!! Kanefa anie dia tena azo antoka marina tokoa fa mba misy tanimbary volen’ny mponina ihany any antanindrazan’ilery any Sahamadio e !

Épilogue .
Dia ho avy hanodina resaka ho any amin’ny rats géants qui envahiraient Paris MA ville indray izao ry be-sy-leo foza femelles couillues anti ambaniandro "Isandra’’ ,
mba hanafenany ny havendranan’i DJ bac-3 Rajoelina faikam-boto !

Kanefa agnie igny faritr’Isandra igny dia mahavokatsa tokoa raha voly sy famokarana vary ro resahina eee !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS