Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 26 juin 2022
Antananarivo | 03h20
 

Répondre à un commentaire

15 mai à 13:05 | Shalom (#2831)

Hoy aho tamin’i Turping mikasika ny soratry ny tsy tia an’i Madagasikara sy ny malagasy eto amin’ity serasera ity hoe : "kabary tsy valina ireny k’aza amakiana loha".
Misy anefa solon’anarana heveriko fa ratsy taiza sy tsy ampy fahalalana toa faly manebak’ahy eto amin’ity serasera ity kanefa tsy fantatro hoe inona ny antony (ny antony hoy aho fa tsy hoe tsy fantatro ilay olona).

"Ratsy taiza sy tsy ampy fahalalana" hoy aho satria kinga ery izy mivalapatra milaza fa izao sy izao ny momba ahy ka hatramin’ny anarako sy izay fiainako no tanisainy eto.
Izy anefa amin’io olona miafina ambadiky ny solon’anarana : "olona ratsy taiza izany ary olona ambany fahalalana ka sendra nahita hirika dia io manararaotra toa banga mihomehy amin’ny alina io" (azony an-tsaina ny tiako lazaina amin’izany).

Ny olona mazava saina dia milaza hoe iza izy alohan’ny hitenenany ny momba ny hafa.
Ny tsy azon’ilay solon’anarana (solon’anarana hoy aho fa tsy hoe olona akory) an-tsaina angamba dia ny hoe : "f’izaho angaha moa olona miafina ambadiky ny solon’anarana" ?
Mino marina aho fa tsy vitsy mihitsy ny olona mahafantatr’ahy eto amin’ity serasera ity, inona moa ny olana ny amin’izany.
F’angaha moa aza tsy efa navoakan’i zano bitro tamin’ny taratasiny ny momba ahy sy ny sariko, niaraha-nahita izany ?
Fa saingy fitiavana ny hanebaka no be an-tsain’ity solon’anarana eto amin’i MT ity koa dia ireny no ataony.

Hoy aho matetika hoe : "mba ampianaro sy anaro ihany ny ankizy tsy hanao adalana manalabaraka tena toa itony".

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS