Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Répondre à un commentaire

13 octobre 2021 à 11:58 | Vohitra (#7654)

Miala any indray ny fampanantenana anaty angoatenda igagana !

Fony andron’ny tetezamihitatra, dia nambarany fa maimaimpoana ny fitsaboana eny amin’ireo Hopitaly nolazainy fa manarapenitra…kinanjo tsy izany no nitranga rehefa niodina niasa ireto hopitaly…nisy tamin’izy ireo koa moa fahizany tsy arifomba mihintsy sati sady tsy nisy fitaovaa no tsy nisy mpitsabo zadraharaha akory !

Izy ato tsy mitsahatra amin’ny angoantenda…nefa ny zavamisy avy eo tsy mifanaraka mihintsy amin’izay fampanantenana. Inona no antony ?

Satria tsy fantany tsara akory hoe inona no tena olana fototra mahatonga ny mahasarotra ny fanaovana ho maimaimpoana ireny karazana fitsaboana ireny eny amin’ireo hopitalimpanjakana misy…

Sao adinon’ilay rangahy io fa efa roa volana (02) izao no efa tsy nandray karama intsony ireo mpitsabo vaovao nampidirin’ny fanjakana nandritry ny ady natrehina tamin’ny fihanahan’ny valanaretina Covid…manampy isa ireo mpiasampanjakana marobe efa amambolana maro no tsy nandray karama intsony, sy ireo trosa be mbola miandry ny fanjakana tsy onerany amin’ireo orinasa mpanao sy mpikojakoja làlana…

Io ilay fomba ratsy efa manavanana ity rangahy ity : mampanantena izy, dia fotoana fohy monja aorian’izay ihany no hita hoe misy ilay fampanantenana…avy eo manjavona foana tsy hita intsony noho ny tsy fisian’ny vola…

Adino sahady angaha ity nantsoiny hoe « kaly tsinjo » na ilay « tsaky pop manarapenitra », izay nolazaina fa haparitaka manerana ny Faritra rehetra eto amin’ny Nosy, « arrondissements » enina teto andrenivohitra ihany no nisy izany tao anatin’ny iray volana dia avy eo nanjavona tanteraka, ary tsy tonga akory mihintsy tany amin’ny Faritra 22 hafa mihintsy !

Vahoaka mahantra, fanjakana mahantra…vahoaka diso fanantenana, fanjakana manao hadalana…vahoaka reraka sy mosary, ilay mpanjaka mpisavika tsy mitsahatra ny mampanantena fitaka…Izay no zavamisy eto !

Fitsinjarampahefana tena izy ihany no sisa vahaolana, ary ny fandavana ankitsirano itony mpanjaka mpisavika raindahiny amin’ny angoantenda toy itony !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS