Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h43
 

Répondre à un commentaire

12 octobre 2021 à 12:05 | Vohitra (#7654)

Ireto isy tranga vitsy tiana mba hisarihina ny saina aman’eritreritra eo amin’ny vahoaka manontolo :

 Nahoana no tsy lazaina sy hampahantarina ny isan’ny fitsinjarana ny fitiliana na ny « tests » natao isamparitra 23 mikasika ny Covid-19 ?

 Nahoana no tsy aseho mazava ho fantabahoaka ny fitsinjarana sy ny fampiasana ny tetibola LFR tamin’ny taona 2019-2020-2021 isaky ny Faritra 23 misy eto amin’ny Firenena ?

 Tamin’ny fampidirana vola nataon’ny fanjakana ato anatin’ny JIRAMA, nahoana no tsy lazaina ny fitsinjarana izany amin’ny fampivelarana sy fanomezana herinaratra sy rano fisotro madio isamparitra 23 ?

 Nahoana no maika sy revo amin’ny fametrahana ity lazaina fa « fonds souverain » ity, izay orinasa iray miorimpaka eto Antananarivo no atsangana hitantana azy, nefa dia ny hetra sy volampanjakana aloan’ny Malagasy manerana ny faritra 23 no mameno azy ?

 Nahoana no tsy nanaovana tatitra mazava isamparitra 23 ny mikasika ny fandaniana ny vola 800 tapitrisa dolara voaray teto amin’ny Firenena nandritry ny taona 2020 tao anatin’ny vanimpotoana nampihanaka ny Covid-19 teto amin’ny Firenena ?

Tsy lazaina sy tsy asiana mangarahara mihintsy ny fitantanana ny volampanjakana, sy ny filazambaovao tena marina satria…MITANILA SY TSY MISY FIJERENA NY MIRALANJA SY FITOVIANA NY ISAMPARITRA 23 !

Ary natao izany mba hahafahana rehefa misy ny korontana any aoriana any mba hahafahana manenjika sy manondro ny Merina ho fototry ny fahavoazana mitranga manjo ny Firenena ! Efa manmboka manao izany ireto vazaha frantsay adala mpanjanatany tsy valahara mpaneho hevitra eto ankehitriny !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS