Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Répondre à un commentaire

12 octobre 2021 à 11:44 | Vohitra (#7654)

Manantitra ny arahaba antsika rehetra,

Isany iray amin’ireo sosokevitra ankapobeny efa naroso ombieny teto ary matetika ny tokony hanesorana sy hamindrana ny renivohitr’i Madagasikara hivoaka sy hiala ny Faritanin’Antananarivo !

Efa nohazavaina matetika teto ny anton’izany, fa ny tiana asiana tsindrimpeo mikasika izany anio dia ny momba ny fivelaran’ny fandrosoana amin’ny ankapobeny eto amin’ny Firenena mihintsy.

Mivangongo eto Antananarivo daholo ireo tsy valahara tsy vanona mpandroba sy tontakely, ary mihezaka mafy ny hihazona ny fanapahankevitra lehibe amin’ny fitantanana ny Firenena hiainga foana avy eto Antananarivo !

Mody saronana foana amin’ny hoe « satria Antananarivo no renivohitra » no anton’izany…

Mody akisaka amin’ny ho avy ny tanàna sy ny Biraompanjakana amin’ny alalan’ity lazaina hoe « Tanamasoandro », nefa dia eo amin’ny 25 kilometatra monja miala ny renivohitra no afindra…

Fitahana amin’ny famoriambahoaka miaro dihy vody ny any amin’ny Faritra hafa, fitahana amin’ny fanomezana zaraina anatin’ny fotoana fohy ny Faritra hafa, rehefa tsy mahomby ireo, dia miroso indray amin’ny fampiadiana ny samy Foko, ary mamboly savorovoro anaty andrimpanjakana mba hanodinana saina sy eritreritra…

Terena hihoby sy hidera ny mpanjaka mpisavika ny mponina any amin’ny Faritra hafa raha mba mitady izay anjara fandrosoana mendrika azy ireo, hanaovana tambiny sy fitaka izy ireo mba hampanekena azy ireo hanaiky ity mpanjaka mpisavika ity…

Tsy mazoto mihintsy ary tsy marisika amin’izany fitsinjarampahefana tena izy izany ny mpanjanatany vaovao miaraka amin’ny fitondrana mijoro, ary ezahana lalaovina sy hoentina ho toy ny ankizy ampilalaovina ny mponina any amin’ny Faritra…

Fehezina ny TVM sy ny RNM izay miely patrana manenika manerana ny Nosy mba tsy hamoaka izay marina mikasika ny raharahampirenena sy fomba fitantanana mitsinjo ny tombontsoa manokana…

Ary ny fitaovana tena mahomby hampiasaina amin’izany dia ireo herimpamoretana mitambasy mamoritra vahoaka sy mamono vahoaka !

Fa ity no tena loza : ny any amin’ny Faritra dia mihevitra fa i Antananarivo no mahatonga ny fampandrosoana sy ny fivoarana ho tafapaka any amin’ny Faritra, ary misy ny fitongilanana…

Ny mponina eto Antananarivo nefa maro sy betsaka koa no mahantra sy mijaly ary fadiranovana, tsy mahay manavaka ireo tsy valahara tsy vanona mpambotry ny Firenena ny olona sasany amin’ny Faritra satria tsy ampy sty misy fitaka ary lainga no afafy any amin’ny Faritra…

Eo isika izao ankehitriny !

Fa iza tokoa moa ny namaritra sy nanapaka ny vidin’ny lavanila fa tsy ireo mpanapaka hevitra manana fahefana monina sy mipetraka eto Antananarivo ve ?

Io ilay fitaka volen’ny mpanjanatany vaovao, filalaovana ny resaka Foko mba hamotehana ny Firenena…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS