Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h31
 

Répondre à un commentaire

7 octobre 2021 à 12:13 | Vohitra (#7654)

Mbola misy mahatsiaro ve ny zavanitranga ny taona 2014-2015 teto amin’ny Firenena, indrindra teto Antananarivo ?

Ny loza nitranga tamin’ny raharaha « bois-ronds » !

Teny amin’iny faritra manodidina an’Ivato teny no niandohan’ity tranga hafahafa mamoafady ity !

Misy olona maty, mitsirara eny andalàna, nisy namono, nefa ny volany sy ny finday dia tavela ao ampaosin’ilay maty…fa misy lavaka ao amin’ny fara-hatok’ireo olona maty…io ilay opération « bois-ronds » nitranga fahizany !

Nihitatra ireo famonoana olona fahizany, nahanika ny renivohitra, ary nitranga tamin’iro toerana hafa tamin’ny manodidina…nalza mihintsy fahizany fa misy ny fanenjehana olona raha vao maizina ny andro, ary ireo olona salama, tomady, sady tsy mifoka sigara no tsy mihinana paraky, ary tsy misotro toaka no matetika manjavona ary avy eo hita faty voan’ny kapoka « bois-ronds »…

Zavanisy izany ary efa niainana teto… nalaza tamin’izany fa olona alaina rà atao sorona ireny voakapoka amin’ny « bois ronds « ireny…ary tamin’izany fotoana, dia betsaka no fitrandrahana harena ambanin’ny tany nitranga izay nisy vatosoa, volamena, vato sarobidy…

Hatramin’ny androany, mbola tsy hita izay tena marina vokatr’izay fanadihadiana natao…

Hatramin’ny androany, mbola tsy hita izay tena marina mikasika ireo vaky fasana marobe nitranga miaro halatra taolambalo nitranga teto…

Ny ahiahy hono tsy hihavanana…

« Aza mitrotro varatra, aza misakelika fantara, fandrao entiny miriatra »

« Aza mahandro hena tsy fantatra anarana »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS