Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 16h05
 

Répondre à un commentaire

7 octobre 2021 à 11:26 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

« Akoholahy miady ampasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka »…

Izany ohabolana fanaondrazana izany no azo anoharana ity zavamitranga ao anatin’ny Federasionina Malagasy amin’ny lalao baolina kitra ity…

Rehefa hifidy izay filoha hitarika itony Federasionina itony raha ny fahafantarana azy, dia ireo Filoha mitarika ny « Ligue » isamparitra no mandray anjara amin’ny fifidianana izay tanterahana…

Aty amintsika aty Madagasikara, raha vao fifidianana no resaka, dia azo antoka hatrany fa ny fahavalo voalohany ho an’ireo faingan-tànana sy kinga amin’ny fanovamaso, dia ny fahamarinana sy ny mangarahara…indrindra moa fa hoe ilay andraikitra hiantsorohan’izay hofidina dia misy fahefana sy anjara toerana goavana ary voninahitra miezinezina…

Maika moa fa misy hifandraisana amin’ny tontolo politika ny sehatra hanaovana fifidianana dia vao maika loza ny zavamitranga…vata mibontsina feno mibosesika, matoatoa mitsangan-kovelona, fijoroana vavolombelona anaty lainga sy hosoka, fofom-bola maloto manempotra mitobaka…

Fony fifidianana izay ho Filohan’ity federasionina ity, dia betsaka ny feo nivoaka sy ny honohono nanako, ny ahiahy nandeha, izay nilaza fa nisy volabe nitobaka nomena ireo mpitarika ny « ligue » hanao ny fifidianana…mba hakana ny fony sy ny vatony…

Tamin’izany andro, tsy nisy na iray aza nihezaka nitady sy nilaza ny marina, tsy nisy ny mangarahara naseho, tsy nisy ny fanadihadiana marimpototra nampiseho izay tena zavamisy, tsy nisy ny ezaka nampijoroana ny tandro hasina sy ny fiarovana ny fahamarinana…kinanjo ato afara, izao sisa no mitranga ! Tsy afaka miala sy miafina mandositra ny andraikiny ao anatin’izao zavamitranga izao ireto solontena avy amin’ny « ligue » ireto, izay nifidy fahizany taa anaty tontolo maizina sy feno ahiahy ary fanotofana ny marina ho difotra anaty fikatsahana tombontsoa manokana !

Lany angaha ny paiso ankady ? Faly ery izy ireto fahizany nandrapaka nihinana ny paiso efa misy olitra ao anatiny, nihinana amam-bolony, nambosika ny voankazo voarara…ankehitriny, indreo izy rehetra indray mijoro satria efa levona sahady ny voankazo lo nateliny nameno ny kibony fahizany !

Io ilay fomba ratsy sy fihetsika mamoafady tena manimba ny fiainambahoaka eto Madagasikara ! io ilay fihatsarambelatsihy sy ilay fahalavoana ara-panahy vokatry ny tsy fitandroana ny fahamarinana !

Efa tontolo maloto sy feno kolikoly ity Federasionina ity, vao maika moa fa tonga indray koa ilay calife mpanjaka mpisavika nitsabaka nitondra ny anjara hagegeny tao anatiny, vao maika loza no nitranga !

Rahoviana isika no sahy hiaro ny fahamarinana sy hitaky ny mangarahara ary hikatsaka ny soa iombonana ary ?

Moa adino ve ny tantaran’ilay namafy volabe fahiny tao amin’io Federasionina io tamin’ny alalan’ny vola maloto niainga avy ao amin’ny fibakoavana vola tao amin’ny Trésor Malagasy ? Adino ve ny tantaran’i Gariste izay mpanohana ny antoko AVI fahizany, voatazona teny Tsiafahy avy eo navoakan’ireo mpanongampanjakana antsokosoko ary napetraka teny amin’ny « Resto gasy » tamin’ny taona 2009 ?

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS