Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h25
 

Répondre à un commentaire

6 octobre 2021 à 12:16 | arsonist (#10169)

Nisy lahatsoratra iray izay navoakako teto momba ny ilo.
Tamin’ilay vaovao navoakan’ny MT.com mikasika ilay fikambanana antsoina hoe « Ilontsera » izy izay !

Ka izahay miloloha sy mitahiry ampo ny kolo nolovanay tamin’ireo Razanay,
dia tena mila marina tokoa ny ilo,
mba hanaovana tso-drano arakin’ny fomba sy ny kolonay.

Ny ilo moa dia menaka tsy mety mandry mihitsy, fanosorana izay havana omena tso-drano.
Ka avy amin’ny trafon-kena no ahazoana io ilo io !
Tena zava-dehibe aminay mihitsy Tompoko ny tso-drano.
Satria « ny tso-drano zava-mahery » aminay !

Ka ity ombinareo tsy misy trafo ity dia tano ho anareo any !
Fa aleonay ihany ny ombinay misy trafo, izay nolovanay avy tamin’ny Razanam-be nipoiranay [izay niantso azy ireny hoe « jamoka » talohabe tany].

Izahay koa tsy « andraraka ilo mby andoha », ka tsy hiaro ny kolonay.

"Trafon-kena ome-mahery iny ry ’Nao ,
ka ambava homana, ampo mieritra !"

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS