Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h28
 

Répondre à un commentaire

5 octobre 2021 à 13:14 | arsonist (#10169)

Vonjy ho amin’ny fihomboan-danjan’i Frantsa tokoa ary ve ny European Union ?

Voalazan’ny sasany fa mila ny European Union [EU] i Frantsa !
Ireo Frantsay afaka mitondra firenena no sady mijery amin’ny maso tsy miangatra sy amin’ny saina matsilo ny zava-misy marina tokoa amin’izao andro izao,
dia miaiky hono fa
raha i Frantsa irery dia tsy ho afaka hifaninana amin’iretsy vondrom-pirenena faran’izay matanjaka sy mahery
[1.ny Anglo-Saxons (USA, UK, Canada, Australia, New-Zeland), 2.China, 3.Rosia sy ireo firenena miray aminy]
iretsy !

Kanefa amin’izao fotoana andro izao dia tsy mbola azo antoka mihitsy akory fa
hiofo ka ho lasa vodrom-pirenena faran’izay matanjaka sy mahery ny European Union (EU) !

Lazaina fa manakarem-be ny European Union (EU)
Kanefa jereo ange izato manaraka izato,
dia ampitahao e !

A] Lazaina fa be vola amin-karena ny EU.
Kanefa
1.tsy azo nafenina tamin’ny covid iny fa tena miankin-doha mihitsy amin’i Shina ry zareo mikasika ny zavatra maro.
2.tsy manana tafika azy samirery akory ny EU, fa mbola miankin-doha amin’i USA.
3.tsy manana tenim-pirenena tokana iraisana mba ifanomezana baiko na ampiasaina amin’ny andavan’andro ny samy mponina ao amin’ny EU [raha miresaka ny Frantsay sy Poloney ary Hongrois, ohatra, dia inona no tenim-pirenena ampiasain-dry zareo]
4.miisa 447 tapitrisa ny mponina ao amin’ny EU.

B]ry zareo anglo-saxons [USA -UK-Canada-Australia-New-Zeland] dia mbola loha-laharana amin’ny harena sy amin’ny tafika ary amin’ny siansa sy ny teknolojia ; miisa 443.1 tapitrisa ry zareo, ary manana ny teny English tokana iraisany ry zareo !

C]Shina izay atahoran’ny Tandrefana mafy ery na ara-toe-karena ity, na ara-tafika ity, na ara-tsiansa sy teknolozia ity, dia miisa 1.41 lavitrisa ry zareo no sady koa manana fiteny tokana iraisany ry zareo : dia ny mandarin.

D]Rosia sy ireo firenena ao anatin’ny fikambanan-dry zareo : miisa 147 tapitrisa ry zareo, superpuissance ara-tafika sy ara-teknolozia spatial ary ara-nomerika ry zareo ; teny rosiana no teny tokana iraisan-dry zareo, sady mpamatsy gaz sy petrole an’i Europe sy Shina ry zareo.

Azo itarafana ny hoe :
misy fanantenana fa ho isan’ny vondrom-pirenena tena matanjaka sy mahery ary tena miray hina marina tokoa ve i EU amin’ny taona vitsy ho avy izao,
miohatra amin’iretsy vondrom-pirenena efa tena matanjaka sy mahery iretsy,
ka ho afaka mifaninana marina tokoa amin’izy ireo ny EU ? https://www.youtube.com/watch?v=5Yhq3pS4BuY

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS