Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h07
 

Répondre à un commentaire

5 octobre 2021 à 12:23 | arsonist (#10169)

Ho fampirantiana mazava ny lainga sy ny fitaka ary ny fanovàna ny Tantara iezahan-dry
l’Anticaste efa mitorin-doha
sy l’olivier2 mpijirika mpandova ny toetran’ny mpanjanaka
ary jehan magic martel mpandainga sady votsa saina
dia indro fandaharana naseho omaly alatsinainy arak’ity post nataon’ny namana Rainingory ity :

>> 4 octobre à 23:31 | Rainingory (#11012)
« Colonisation, une histoire française »
>> Conquérir à tout prix sur la chaîne tv France-3
>> en direct France 3 le lun. 04.10.21
>> disponible en replay jusqu’au 03.12.21

Voatantara mazava tsara ao anatin’io fampirantiana ara-Tantara natao nandritr’io fandaharana io
.ny fananiham-bohitra nataon’ny Frantsay maneran-tany mba anjanahana tany sy firenena, mbamin’ny fandringanana vahoaka tompon-tany, fanandevozana ireo sisa niangana, fankàna ankery ny harena vao-janahary sy ny harena vokatrin’ny hatsembohan’ny vahoaka tompon-tany, ny fandotoana fiaina ny vehivavy tany amin’ireny zana-tany ireny
.ny anton’ny nahatonga ny Frantsay nampiasa ny tafiky zareo anjana-tany [nifaninana tamin’ny Anglisy] dia resin’ny Prosiana [Allemands] an’ady sady tena nataony nandraingiraingy mihitsy ny Frantsay tamin’ny 1870 ; dia nalain’ny Prosiana ho an-dry zareo tsotra izao i Alsace sy Lorraine ; nambarany tamin’ny fomba ofisaly koa fa « ny Franstay dia ambanin’izy Prosiana » ; notataovin’ny herin’ny Prosiana tokoa ary ny Frantsay dia tsy afaka nivelatra tany Eoropa intsony ; dia iny ry lerony fa nitady tany hafa anamparany ny habibiany : dia lasa nanjana-tany ry lerony !
.ny « immigrés » voalohany indrindra tonga tao Frantsa [tany foiben’ny fanjanahana] dia ireo vatan-dehilahy miaramila tera-tanin’izay rehetra zana-tany frantsay, ka nampidirin’izy tenany Frantsay mpanjana-tany mihitsy ihany ho tonga tao amin’ny foiben’ny fanjanahana mba anampy ny tafika frantsay tamin’ny ady nifanaovany indray tamin’ny Allemà tamin’ny 1914-1918 ! tsy hita isa intsony ireo miaramila tera-tanin’ny zana-tany rehetra nampidirina tany Ftrantsa ireo : nataon-dry zareo Frantsay « chair à canon » no filazan-dry zareo azy ; na dia izany aza anefa dia tsy mbola naharesy ny Allemà ihany ny tafiky ry zareo Frantsay ; fa dia niandry ny famonjen’ny tafika amerikana vao resy tosika ny Allemà.

Fehiny :
Raha jerena io fandaharana tao amin’ny tv France3 mitondra ny lohateny manao hoe « Colonisation, une histoire française » io,
dia mazava tsara mihitsy fa miezaka manova ny Tantara ny Jiosy sefarade Zemmour mpanavakavaka !
Ary mamahan-dalitra ny mpitsidika ity serasera ity ry l’Anticaste efa mitorin-doha sy l’olivier2 mpijirika mpandova ny toetran’ny mpanjanaka ary jehan magic martel mpandainga sady votsa saina !!!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS