Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 10 juillet 2025
Antananarivo | 03h16
 

Répondre à un commentaire

5 octobre 2021 à 10:56 | arsonist (#10169)

Hiram-pirenena ???

Namoahan’ny fitondràna mpanjana-tany taloha didy mandràra ny fihiràna azy ity hira ity !
Noraisin-dry zareo mpanjanaka ho hiram-pirenena merina hono izy ’ty !

« Mifankatiava ihany ! » https://www.youtube.com/watch?v=7u9OFOlUw7A

Ny tonon-kira :

Mifankatiava ihany,raha mbola velon’aina
Tsy misy toy izany o ! no mampifaly saina
Ny maty efa lasa,tsy azon-tsika atsoina
Isika no mikasa,ny ratsy ho adinona re
Ny maty efa lasa,tsy azon-tsika atsoina
Isika no mikasa,ny ratsy ho adinona !

Ah ah ah tsy fotoana ela,no hipetrahana eto
Ah ah ah andeha re mba hifamela !
Andeha re mba hifamela mba tsy harahin-tsento
Mba tsy harahin-tsento
Andeha re mba hifamela
Mba tsy harahin-tsento