Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 11h30
 

Répondre à un commentaire

15 septembre 2021 à 10:58 | Yet another Rabe (#4812)

Re-,

Mba tongava saina Ra-Malagasy, fa tany maina, tany mena, tany karakaina, ranomasina tsy misy zava manan’ aina intsony no ho lovan’ ny zanakao :

https://www.actutana.com/depeche/tout-va-bientot-disparaitre-a-madagougou/

- Aza kamo velona ka mitsiritra sy maniry hanao toa ireo mpandroba anao,

- miasa ny tany,

- mandàna mamboly,

- ataovy mandia fianarana lavorary ny zanakao,

- ovay ary diovy ny toe-tsainao, ary fantaro fa ny vola aman-karena tsy tonga tonga ho azy raha tsy mifofotra sy tsemboka miasa ianao, koa na mino na tsia an’ Andriamanitra sy ny Razàna izay mendrika noho ianao, dia mba mahàlalà menatra ary mananà ambo-po

- Tsy ny vahiny (vazaha, karana, safiotra ...) no tena fahavalonao, koa raha manararoatra ireo vahiny ireo dia mampiasa ny adalanao izy.

- Ny tena fahavalonao Ra-Malagasy dia ny akamoanao miasa, manao ariary zato am-pandrina, ny toe-tsainao vokisan’ny kolokoly, ny fitsiritana ny hafa, ny fialonana, sy ireo mpitondra mandrava ny tany

- Fanteno tsara ireo mpitondra misolo tena anao eo anivon’ izao tontolo izao, fa tsy ho mpisolo vava fotsiny izy ary hanao izay danin’ny kibony, fa ho mpisolo-tsaina ho mampianatra sady mahay mandrindra ny fiainan’ ny firenena.

- Raha te hitodika manatrika ny ho avy ianao Ra-Malagasy dia tsy mety ilay teny hoe « Tanindrazana » satria ny Razàna efa lasa, fa tokony atao hoe « Tanindzanaka » satria io no ho avy, koa tany mena karakaina ve no ho lovan’ ny zanakao ?

- Hoy Antoine de Saint-Exupéry hoe « Nous n’ héritons pas la terre de nos parents, nous l’empruntons à nos enfants »

Tsy mankasitraka ny fombanao amin’ izao vanin’ andro ankehitriny izao aho Ra-Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS