Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Répondre à un commentaire

15 septembre 2021 à 10:41 | arsonist (#10169)

(i) Ha - ha - ha - haaa !
Tratra tao ny foza , ry ’Nao an !
Tena mahatsikaiky indray ity !
Tsaroana ihany anefa fa ny foza favalom-pirenena anie dia tsy ny foza e !
Fa ny foza-orana e !

Ka ity foza-orana ity dia biby nampidirin’ny Amiraly Rouge teto Imerina,
ka naparitaka indrindra teny antanim-bary teto ankibon’Imerina.
Sady miendrika foza izy ity no miendrika orana koa : izay nahatonga azy ho foza-orana.

Ny loza dia izao :
Nolavahan’itony foza orana itony mba hisitrihany ny fefiloha sy ny tohodrano rehetra teny antanim-bary.
Lozabe izany !
Marihina fa, na dia efa tsy amin’ny andron’i Nampoina intsony aza isika efa taon-jaoto roa lasa izay, dia heloka nahafaty ny mandrava na manimba fefiloha sy tohodrano.
Azon’ny manam-panahy antsaina avy hatrany ny anton’izany sazy henjana dia henjana izany.

Ka fanafohizan-teny fotsiny ny hoe foza,
rehefa manondro an’i Bokassa gasy sy namany ny olona,
fa foza-orana no tena izy !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS