Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 14h21
 

Répondre à un commentaire

5 mai 2021 à 16:17 | Vohitra (#7654)

o Andro voalohany :
Tsy ekenao ny lainga, lavinao ny fitaka, tsipahanao tanteraka ny soloky !
Manodina ny lohanao ianao fa sorena sy tofoka !

o Andro vitsy ato afara :
Miroso ny lainga, mihanaka ny fitaka, miely ny soloky !
Tsy zakanao ny mahita izany, io ianao fa maneho hevitra, manohitra izany !

o Andro maromaro ato afara :
Miroborobo izay tsy izy ny lainga sy fitaka, misandrahaka ny soloky !
Mijoro ianao manondro ny tomponantoka amin’ny lainga sy ny fitaka ary soloky !

o Volana vitsy ato afara :
Tsy misy andro na fotoana ka hoe tsy mitranga sy tsy miseho miharihary ny lainga sy fitaka !
Manohitra mafy ianao ary mitondra fanazavankevitra manaporofo ny lainga sy ny fitaka !

o Volana maro ato afara :
Efa lasa fomba fitantanana sy fitaovana entina misedra sy misitraka ny raharahampanjakana tanteraka ny fanehoana lainga sy fitaka !
Io ianao fa manondro ary fahapotehana mihantra sy fahasimbana ara-piarahamonina vokatry ny lainga sy fitaka !

o Mielina ny taona :
Ny lainga sy fitaka natao omaly, nilaozana sy nialana, noentina indray ny lainga sy fitaka vaovao mba hoentina hanodinana ny resaka sy hilazana fa efa mivoatra ny Firenena !
Io ianao fa manondro sy milaza ny fiantraikan’ny lainga ka mitondra fahavoazana manjo ny fiainambahoaka, fahantrana, tsy fisiana, ny alahelombahoaka !

o Taona vitsy sy volana vitsy ato afara :
Tsy misy afatsy lainga sy fitaka sisa ny fanambarana rehetra izay mitranga sy fisehoana imasombahoaka !
Io ianao fa milaza fa efa mahazatra sy efa tsy mahataitra intsony ny fahitana ny lainga sy fitaka !

o Taona vitsy sy volana maro ato afara :
Efa miorimpaka tanteraka sy mahazo vahana ny fitondrana lainga sy fitaka, ary mampiasa izany daholo izay tomponandraikitra ara-panjakana rehetra !
Io ianao fa efa zatra tokoa amin’ny lainga sy fitaka, lasa fialamboly sy fahafinaretana ho anao ihany koa ny mahita sy mandre ny lainga !

o Nielina indray ny taona :
Tsy misy fiovana intsony ny toedraharaha, mitoetra tanteraka ny fomba fiasa anaty lainga sy fitaka !
Lasa nahazo filana vaovao sy fahafinaretana ianao : tsy mety amin’ny fiainanao intsony raha tsy mahita sy tsy maheno lainga sy fitaka ianao, lasa miandry ny hitrangan’ny lainga sy ny fitaka indray ianao !

o Nandeha ny taona, nikisaka ny volana :
Ny fiainampirenena manontolo no rakotra lainga sy miaina anaty fitaka !
Io ianao fa tsy manohitra intsony, io ianao fa nahazo fialamboly vaovao, io ianao fa nahazo antompisiana : ny fahafinaretana eo anivon’ny lainga, ary tsy mety intsony ho anao raha tsy misy lainga ny andro iainanao sy ny ampitsonao !

Izay ilay dingana sy fivoarana eo amin’ny filalaovana toetsaina izay natao hifehezana toe-panahy, ary tena isany fony andro nanavanana sy hakingana nataon’Ingahy Joseph Goebbels fahizany, ary nahafahany nampanompo ny vahoaka tany Alemaina fahiny ny fitondrana Nazi nentin’i Hitler…

o Ary tsapa ankehitriny : tsy ny hitsangana hiady sy handrava ary hanohitra tanteraka intsony ny lainga sy ny fitaka no antompisianao, fa ny hiandry sy hitanty izay lainga vaovao sy fitaka vaovao, lasa tena filana eo aminao izany…efa lasa sambobelona ho an’ireo mpamatsy lainga ianao sisa…

o Rahampitso : tsy ny fahoriana, tsy ny fahantrana intsony no lasa olana ho anao, fa ny tsy fisian’ny lainga sy ny tsy fisian’ny mpamatsy manolotra lainga vaovao ho anao…efa nekenao fa lahatra sy anjara ny fahantrana, ary lasa mpihoby sy mpanome dera sy laza ny mpamatsy lainga sisa ianao ! zara aza misy antompisiana hoy ianao : ny ho mpanompo !

« Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga » hoy ny fahendrena teo amin’ny vahoakan’i Zanahary fahiny...

Fa ankehitriny kosa hoy ianao hoe : « Tsy misy olana mihintsy ny mifanena amin’ny mpamosavy sy mpandainga, samy Malagasy daholo ireny »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS