Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 16h53
 

Répondre à un commentaire

3 mai 2021 à 11:34 | Vohitra (#7654)

Samy nahare ny Malagasy tsy vaky volo ary natao ho rentany ho rendanitra fa omena vakisiny maimaimpoana sy tsy vidiana vola na sandaina, ary tsy antery ny rehetra…

Tsy misy fanavahana, tsy misy fanilihina, ary tsy misy fitsongoana manokana…fa mitovy daholo ny rehetra ho an’izay manaiky izany…

Ankehitriny, ny Filoha dia milaza ankitsirano indray fa « vaccination ciblée », izany hoe, tsongaina sy hofidiana manokana ireo izay omena vakisiny, ary tsy ny rehetra no ho afaka hisitraka izany vakisiny izany !

Ao anatin’ny tapabolana, dia mifanohitra sy mifanipaka tanteraka ny resaka sy fanapahankevitra nataon’ny Filohampirenena Malagasy !

Fa nahoana no nahatonga izany ?

Ny mahatsikaiky dia maka ohatra sy mitanisa zavatra tsy mitombina sy tsy marimpototra miohatra amin’ny zavamisy no lazain’ny Filoha, dia ny vakisiny faobe « vaccination de masse) mitranga any Etazonia, Inde, sy Royaume Uni, Frantsa…

Fa angaha tsy fantatry ny filoha fa vaccination de masse no mitranga tany Israel, Slovaquie, Hongrie…izay tena hita ankehitriny fa manomboka mivoaka tanteraka miandalana amin’ny fihobohana sy fanaovana aro vava orona ireo Firenena ireo ankehitriny ?

Hitondra saranga sy fifanavahana ary fifanilihina indray ity resaka vaccination ciblée ity manomboka eto eo anivon’ny fiarahamonina !

Firenena iray anie i Madagasikara e ! Ary mitovy zo sy sata anie ny Malagasy e !

Loza sy atambo no mitranga ankehitriny !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS