Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 15h34
 

Répondre à un commentaire

30 avril 2021 à 11:33 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Miroso hatrany ny dingana hizoran’ny revolisionina volomboasary, mitondra ny Firenena hizotra any amin’ny tanjona politika sy toekarena efa voalamina sy voaomana tany ampitandranomasina fony vanimpotoana nivahiniana tany amin’ny renivohitra Frantsay ary niarahana tamin’ireo mpiaraka miombonantoka faingantanana sy voaibe kinga avy ao amin’ny hery ankavanana Frantsay eo amin’ny sehatra politika…

Indro averinay etoana ny dingana efa tsinjo fa hizoran’izao làlana mitondra ho any amin’ny kizo sy hantsana izao, efa nambaranay teto ny 27 martsa 2021 teto amin’ny MT, ary isan’izany ny fifehezana tanteraka ny HCC amin’ny alalan’ny olona notsongaina manokana afaka ny hanao hitsindàlana sy tery setra ary anjolofo ka hiantoka ny fametrahana ho ara-dalàna ny paikady fijirihina sy famotehana ny fianadrianampirenena, ary hiaro ny tombontsoan’ireo mpiaraka miombon’antoka aminy…indro tsaihivinay fohy ato ny fomba mamoadoza nentina namolavolana sy nanamboarana io lalampanorenana io teny amin’ny CCI Ivato ho an’ny Repobilika fahefatra ny taona 2010…

https://www.madagascar-tribune.com/Florent-Rakotoarisoa-de-retour-a-la-HCC.html

Mikasika ilay olona indray, diso fantatray loatra fony mbola mpianatra ho mpitsara izy tao amin’ny IEJ na sampana manokana teny amin’ny anjerimanontolo teny Ankatso, manofana ireo mikasa hanao mpitsara aorian’ny fianarana lalàna natao…niandoha ny taona 80, indro lehilahy iray, manao soribolo mitovy manahaka an’i Jimmy Hendrix na koa i Tahitsy Gilbert, atao boribory mihodina, lehilahy mafoaka, « nahoda » mahasaky, henjam-piteny, ary manambara fahasahiana tokoa…ary efa tsinjo fa olona manana ambompo sy rehareha…efa nanomboka teny amin’ny trano fipetrahan’ny mpianatra teny Ambolonkandrina izany…

Fa ity no tena isany mampiavaka ity olona ity : liankarena sy tena tia fahefana, ary mikasa ny hiady sy handresy ny fahantrana…saingy ho an’ny tenany manokana…hita sy tsapa izany tamin’ireo toerana rehetra nandraisany andraikitra amin’ny maha mpitsara azy toy ny tany Nossy Be, Toamasina, ary Toliary…ary akaiky ireo karana sy sinoa mpanambola foana…

Tsongaina manokana ny sinoa isany sangany tamin’ny resaka fanondranana bolabola andramena tao Toamasina…no sady manana ny toerana fitrandrahana volamena tao Mananjary…

Tsy misy kisendrasendra izany eto amin’ity Firenena ity fa efa voalamina sy efa voarindra tany ambadika tany avokoa, ary ity misy toetra miavaka matetika iraisan’ireto be vozona mpiangaly sy mpitarika ary mpandray anjara amin’ity revolisionina hafakely ity : tia rendrarendra, mipoerapoera, tia fijangajangana ara-nofo, tia manahaka ireo vazaha mpanefoefo any ampita, olona tia milalao vola, olona te hiavaka ao anaty fiarahamonina, manao fiainana sodomita…

Farany ity no tsarovy : nisy fotoana tafaraka nikambana sy niray tao anatin’io HCC io ity rangahy ity sy i ra-nôribera ary ilay Filohan’ny HCC tamin’ny 2009 (Michou) izay nanaiky ilay taratasy mamoadoza nosoratan’i ra-nôribera…

Nofitahana tamin’ny alalan’i Bruno R. i Ravalomanana ny taona 2008 tamin’ilay fanapahana sy fanesorana ny fitaovana fampitana ny VIVA, tetika efa voaomana io satria io no tetika nentina namitaka ilay mpivarodronono, rizareo revolisionera ihany no nanao sy nandrafitra io tetika maloto io mba hamitahana ilay mpivarodronono, ka hisarihina ny fankahalam-bahoaka…ary naman’ity olona resahana ity akaiky no isany nanatanteraka izany fanesorana ny fitaovana fampitana ny VIVA ity…

Raharahan-jiolahy tanteraka no mitranga eto amin’ny Firenena ankehitriny !

Danjerosy sy mafoaka io rangahy iray io !

Mankasitraka e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS