Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Botuli-mutisme
60 %
Derniers commentaires
- Rétrocession des îles éparses : entre rêve et pragmatisme - 1er juillet à 00:30 | Rabeanosy (#11701) répondait à Albatros
>> (…)
Stomato - Les réflexions de Ragidro : Nous avons vécu 2009, pas eux … - Bonjour Isandra,
En général votre attachement aveugle à votre président et (…)
Lalatiana Pitchboule - Rétrocession des îles éparses : entre rêve et pragmatisme - Désolé Albatros,
Est-ce que La France, quand l’Allemagne a été battu en 45 (…)
Rabeanosy - Rétrocession des îles éparses : entre rêve et pragmatisme - Oui c’est sûr. Je suis désolée.
Zora - Rétrocession des îles éparses : entre rêve et pragmatisme - @zora
Le professeur Ranjeva vient de perdre son épouse. Vous ne croyez pas (…)
Demokraty
{#URL_PAGE{archives}}
Na dia mba ho fanajana ireo havana navelan’ny maty, sy ireo marobe mbola miady amin’ny aretina ankehitriny, ary indrindra ireo efa ambavahaona miady amin’ny fahasemporana, dia tokony mba hahatsiaro tena ny mpamosavy, tranondainga, mpisoloky, mpisavika, ny sakaizan’ota, ny sodomita…toy itony isandra itony.
Amin’ireo olona rehetra mba hiantsoana fanajana ireo noho ny ady mafy atrehiny ankehitriny, dia voafitaka sy rendrika ary sodoka tao anaty angoantenda famitahambahoaka noho ity ranondolana sy voanjavatra C-VOPLOS ity, dia izao no vokany : ady mihantra aman’aina…sy fandaozana fisarahana amin’ny nofo !
Efa izao no vokatry ny asa ratsy famitahambahoaka, dia mbola sahy manao dokambarotra mandrendrika olona sy mitarika olona hiroboka ao anaty fotaka mandrevo ihany ireto tsy valahara ireto…mba hisarihina ny vola any ampaosin’ireo marivo salosana sisa tavela mbola tsy fay sy tsy nanenina noho ny fanarahana anjambany !
Iza indray hono no tompon’ity orinasa mpamatsy fitaka sy mpivarotra loza ity ?
Koa na dia olona efa dondrona sy kentrina aza ve dia mbola hisy sahy hampiditra vola ao anatin’io amin’izao voka-dratsy naterany izao e ? Ny volampanjakana sisa no atao mangana jifaina ao hisitrahana ambony ampanga fa raha hoe izay tsy miankina, ento aho ry tongotra handositra, iza no adala hanary vola ao !