Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 12 mai 2021
Antananarivo | 14h03
 

Répondre à un commentaire

9 avril à 08:09 | Rainingory (#11012)

Inona no zava-mitranga anio ?
- matimaty foana tsisy mpiraharaha ramalagasy satria tsy fanta-bahoaka, na ny etsy ambanintanàna izany na any amin’ny fatritra,
- fahafatesana mifampitohy toa vakana nohon’ny tsy fahampian’ny enti-mahefa, ny tsy fampitaovana,
- lavitra andriana ka tsy ao anatin’ny antontan’isa akorin’ireo izay nandao nohon’ny Covid-19,
- sa tsy tia ho very razana ka tsy avaky ny antony marina nahalasa an’ilay havana ?
- etsy ankilany ny leba sy ny akoho amam-borona mitangorona eo aminy dia mitsabo tena amin’ny tena atao hoe fitsaboana manarapenitra, satria mahavita mampiditra vakisiny toa andra-bleu, na mankany ivelan-driaka misy izay tena raitra amin’ny fitsaboana,
- ry zareo tsy mila milahatra dia eny ny alina eroa amin’ny farmasia mba ahazo azithromycine na fortifiants, fa satria ny ranondolana sarintsarin-tambavy mantsy tsy mahasakana andra-fahafatesana andom-baravarana,
- na ny zo fototra ny ho velona aza dia misy ambaratonga araky ny fahefanao manjifa, ny any ivelan-driaka, ny vakisiny, ny oxygène, ny azithromycine, ny ed1, ny cvo,
- ery andanin’izany rehetra izany anefa dia mitohy ihany koa ny fandrobana manarapenitra, ny avion cargo miainga isan’alahady ve misy mitily ?
- ny tany lonak’i Mangoky misy 60 000 ha nomena ny arabo ve misy mpiraharaha, na ny teraka any tokony hiaro aza dia mamporisika !
- ny fiakarambidin’ny entin-kohanina isan’andro midangana, ny vary 3200 ar/kg, ny menaka 13000 ar/l, ny siramamy 3000 ar/kg, ny atody 550 ar ny iray, tsy tanisaina ny arina, ny jiro,

Izany rehetra izany mampikaika.
Manotika ny tsinaiko nohon’ny mahazo anao ry Taniko.
Vonto fo aho mahita ny ianjadianao ry Malagasy.

Hafiriana izao no mbola hoziogaina ihany ?

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS