Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 8 mai 2021
Antananarivo | 03h23
 

Répondre à un commentaire

8 avril à 10:25 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Misy ny milaza ankehitriny fa izao fahavoazana manjo ny vahoaka sy ny Firenena ankehitriny momba ny fihanahan’ny valanaretina izao dia vokatry ny tsy fiomanana teo amin’ny mpizaka fahefana sy tomponandraikitra…

Mety ho azo heverina ihany izany fomba fijery izany saingy amiko, azo lazaina fa dia tsy dia mitombna loatra…

Hiomana amin’ny inona tokoa moa izy ?

Ka ilay atao hoe « fiomanana » mihitsy anie no tsy fantany e !

Ary ireo vitsy mba tokony nandray andraikitra noho ny fahalalany manokana, dia mbola variana miremby sy mijirika ka tsy nisy fahasahiana niteny mazava izay tokony atao sy tokony hilofosana haingana…

Nirehaka sy nidehaka fa hoe « nahafehy » sy « naharesy » ny valanaretina hono izy…ary nahay nitantana ny fifehezana izany…herinandro vitsy monja, tonga ny loza sy antambo…raha fantany mantsy ny atao hoe « fiomanana », tsy toy izao no nitranga…

Ankehitriny, eny amin’ny CTC iray anie ka tsy misy toerana intsony fa dia any anaty fiara any ivelany no mipetraka ny marary ankehitriny e ! Omaly maraina dia toa tsy nisy fisafoana ny marary akory…ary avy eo nisy fahatapahanjiro tampoka, kohaka no heno manakoako hatrany ivelany satria tapaka ny famatsiana oxygène…

Hiomana amin’inona izy e ? Ny hany mba fantany dia ny mamory vahoaka sy mamatsy lainga ary angoantenda, dia izay ! Ary rizareo efa sady tsy mahay no midontsana, no tsy misy traikefa, saingy mafy loha sy manao be marenina, no manao be ambo…ary ireo kely vitsy mba nandalina indray dia tsy manana traikefa mihintsy…ary izay mahalana mba efa nahazo traikefa indray dia faingantànana sy mpandroba ary kinga amin’ny fandripahana ny volampanjakana…

Maimaimpoana hono ny fanafody sy fitsaboana…ka inona moa no atao rehefa ilay fanafody mihintsy no tsy misy eny amin’ny toerampitsaboana nefa nolazaina fa maimaimpona !

Maimaimpoana ny fitsaboana, koa inona nefa no ata eo rehefa ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy mihintsy no tsy ampy ny isany !

Herimpamoretana no ataonao betsaka sy omenao tanbinkarama mihoampampana dia izao no vokany e !

Fehiny : tsy ny tsy fisian’ny fiomanana no tena olana, fa ilay tsy fahalalana sy tsy fahaizana, vokatry ny fahosana ara-tsaina sy fahabangana eo amin’ny fahalalana, ary ny toetsaina kapotsaka liana amin’ny fandrobana !

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS