Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Répondre à un commentaire

8 avril 2021 à 10:16 | Isandra (#7070)

TATITRAN’NY CONSEIL DE MINISTRE :

NOHAMAFISINA IREO FEPETRA HIADIANA AMIN’NY VALANARETINA COVID-19 :

Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ireo fepetra rehetra nambaran’Atoa Filoha nandritra ny kabary nataony hoentina miatrika ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19 :

- Ny Ampitomboina ireo CTC mandray marary eto Antananarivo, efa nisokatra ny etsy Alarobia nanomboka omaly, hisokatra tsy ho ela ny etsy Ankorondrano, ny etsy amin’ny By Pass noho ny fitombon’ny marary. Miampy ny etsy Mahamasina, Village Voara ary etsy Ivato (MMBC ex CCO) izay efa niasa andro vitsivitsy izao. Ireo CHU hopitaly lehibe rehetra eto an- drenivohitra dia itohy ny fandraisana mararin’ny Covid “formes graves” arakaraky ny fisian’ny toerana satria hampitomboina ireo “services” ho vahana hahafahana mandray ireo marary tena misy fahasarotana. Tsy azon’ny fianakaviana atao ny mamangy na manaraka ireo olona voan’ny covid any amin’ny CTC sy ny toeram-pitsaboana. Ferana ho olona iray ihany no mahazo manatitra sakafo ho an’ny fianakaviana, izay tsy tokony hifanerasera amin’ireo marary mihitsy fa omena ny tompon’andraikitra ny sakafo ateriny ho an’ilay marary.
- Hisy ny lamina manokana handrindrana ny fitantanana ireo fanafody fitsaboana ny covid ka hisy ny fanaraha-maso izany eny anivon’ny CTC, ny Hopitaly ary ireo CSB. Tsara marihana fa tsy tokony hividy ny fanafody natokana hitsaboana amin’ny covid ireo marary eny anivon’ireo toeram- pitsaboana ara-panjakana : toy ny azythromicine, magnésium, vitamine C, lovenox, dexamethasone. Iharan’ny fanasaziana goavana ireo izay tompon’andraikitra mivarotra izany. Ny fanafody fitsaboana aretina mitaiza sy ireo aretina hafa kosa dia ny marary ihany no miantoka izany
- Mitohy ny fametrahana sy famatsiana oxygène ireo toerana mandray mararin’ny Covid.

- Tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana Covid etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny Village Voara ary maimaim-poana ny fanomezana ny taratasy fanamarihana ny fitiliana. Iharan’ny fanasaziana ireo izay mitaky vola amin’ireo olona tonga manao fitiliana.

- Hamafisina fa maimaim-poana ny fanaovana scanner mahakasika ny COVID eny amin’ireo hopitaly manarapenitra rehetra manerana ny Nosy.

- Hisy ireo fiara manokana ahitana miaramila sy mpitsabo hitety ireo faritra ahitana marary betsaka, ka izy ireo no hizara fanafody sy hijery ifotony ireo marary sy ireo mitondra ny otrikaretina na ireo ahiana ho mitondra ny otrikaretina manerana an’Antananarivo sy ny manodidina (approche syndromique).

- Manao antso avo ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy tsara sitrapo izay vonona hanolo-tanana amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny aretina covid any amin’ny hopitaly sy ny CTC rehetra manerana ny Nosy. Afaka manatona ny ministeran’ny fahasalamana izy ireo manomboka rahampitso ao amin’ny kabinetran’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovana ny taratasy sy ny fifanaraham- piaraha-miasa amin’izany.

- Hametraka ireo hotely/hopitaly isika hanampiana ny toerana handraisana ireo mararin’ny Covid. Hametrahana mpitsabo miisa 02, mpitsabo mpanampy miisa 8, sy fanafody fitsaboana momba ny covid ary “concentrateurs d’oxygène” ireo toerana ireo. Handoavam-bola kosa io toeram-pandraisana marary vaovao io, fa ny fanjakana no hamaritra ny sandan’izany miaraka amin’ny tompon’ny hotely fandraisam-bahiny.

- Ho an’ireo sidina anatiny izay mbola afaka miodina ankehitriny dia manao fitiliana eny amin’ny seranam-piaramanidina avokoa, ireo mpandeha rehetra ka adin’ny 03 mialoha ny fiaingana no ahatongavan’izy ireo eny amin’ny seranana mba hanamorana ny fanatanterahana izany."

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS