Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Répondre à un commentaire

7 avril 2021 à 08:28 | Shalom (#2831)

Mitsabo tena eny amin’ny Clinique eny Ilafy ilay zandrlahy mitarika ilay drafitr’asa hampandatsahana ny orana any amin’ny faritr’Androy nolazaiko teto volana maro lasa izay.
Tratran’ity areti-mandoza ity izy mivady, ramatoa moa efa sitrana (tsy nampiasa velively ilay tambavy tangenan’i DJ tsy ampy solaitra) fa i zandrilahy no manao forme grave ka mbola mijanona eny.

Izy mivady no mifandray amin’ny oniversite any Oslo tompon’io fomba fandatsahan’orana io.
Injeniera tanora erontrerony momba ny « hydrauliques » teny Vontovorona io zandrilahy io.
Mihato kely izany ilay fandalinana.

Nametraka fanontaniana i Lysnorine tamin’izany fotoan’androny hoe : « volan’iza no ao ambadik’izany drafitr’asa izany » ? Tsotra ny valiny : volan’izy mivady nolovany tamin’ny ray aman-dreniny sy ny ray aman-drenibeny izay anisan’ny mpanana teto Iarivo efa hatramin’ny taona 60 tany ho any (tompon’ny ankamaroan’ireo bus teto an-drenivohitra, koperativan’ny taxi izay azy avokoa ny fiara tao, mpanangona vary manerana an’i Madagasikara talohan’ny KARANA ary tompon’ny ankamaroan’ireo fitotoam-bary teto an-drenivohitra sy ny manodidina).

Izany no zanak’Andriana tsy miray petsapetsa amin’ny fitondrana mpambotry ny Tanin’ny Razana ary mandany ny hareny, ny heriny sy ny sainy hamonjena ny Ambanilanitra any Androy na dia tsy misy hifandraisany amin’iny faritr’iny aza ny fihaviany.

Sitrana soa leiroa, resin’ialahy io aretina io satria mbola miandry an’ialahy ny adidy masina natombok’ialahy isany ho an’ity tanintsika ity. Ny Nahary sy ny Razantsika tsy hamela an’ialahy ho resy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS