Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h19
 

Répondre à un commentaire

31 mars 2021 à 19:20 | Vohitra (#7654)

Fa inona tokoa moa no antony nahatonga an’i Sarkozy sy i Guéant niantefa tany amin’ity iraika lahy ity ny safidiny ny amin’izay handray ilay fahefana fa tsy ilay jiolahintsambo velively ?

Ny antony amiko dia mazava : ilay jiolahintsambo manana ambopo, fetsy ihany koa, ary maranitra sy manana fahalalana…mety ho sarotra fehezina ihany koa...

Fa ity iraika lahy ity kosa dia : na dia somary votsa sy tsy dia nandalina loatra aza, fantany fa be sitrapo be no sady voan’ny tazonkarena, ary avy hatrany dia mitrongy tsy mijanona raha vao omena apombo sy haninkotrana…tsy mandinika firy fa tsy maintsy hitrongy hatramin’ny farany ary hanimba ny saha tanteraka mihintsy vao hijanona…

Dia hoy aho hoe, io no ady farany, io no hanimba sy hamotika tanteraka ary tsy hijanona mihintsy raha tsy efa tsy misy intsony ny hotrongisina sy hopotehana…izay no antony nisafidianany azy manokana…satria fantatra fa mpirahalahy afaka mizara dian’omby sy mandeha mian’ala izy sy i Al Capone…

Hitsimpona ny voankazo masaka latsaka ampotony ve ianao ? sa hiandry fifidianana madio sy mangarahara ?

Manonofy tokoa ianao, mandrevy sy manao vinavina tokoa angamba ianao…oviana no nisy goaika nivadika ho railovy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS