Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h31
 

Répondre à un commentaire

23 février 2021 à 20:36 | Shalom (#2831)

Mahagaga sy mahatalanjona ihany ny mamaky ny sasany milaza hoe :
« mahandrasa ny 2023 fa tsy fotoann’ny fampielezan-kevitra izao ».

1) na ireny olona ireny tsy mahalala ny hevitry ny teny hoe demokrasia, na mahalala fa tsy mahay ny fampiharan’azy : ny demokrasia dia tsy fanapenam-bava ary ny demokrasia dia mangarahara - avelao hiteny izay te hiteny, rehefa tsy ihaino ianao mandehana mandeha f’aza ny hafa no sakatsakanana

2) na ireny olona ireny mpomba be fahatany ny fitondrana ka tsy mahita fomba hampanginana izay rehetra mitsikera dia mody izany no lazaina

Ankoatr’ireo tsy hitako izay Antony hilazana ny hoe mahandrasa ny 2023.

Koa rehefa manao ny tsy mety MARINA TOKOA ny fitondrana, ny TENA olom-pirenena dia tsy mamela izany handeha amin’izao fa ADIDINY NY MITSIKERA NA MIHITSY AZA MANALA ILAY FITONDRANA TSY HO EO mba tsy hivarinan’ny firenena sy ny Ambanilanitra any an-kady.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS