Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 21h10
 

Répondre à un commentaire

23 février 2021 à 16:25 | Rivo (#11163)

Rehefa ny fankahalana no mandeha alohan’ny saina tony, dia tsy maintsy miafara amin’ny fanaovanaovam-poana ny zavatra atao. Voamarina foana io n’aiza n’aiza. Samy manana ny zanany ny tsirairay ary rariny dia rariny raha mba sarotiny amin’ny azy ny vadin’ny Filoha. Eto amintsika mantsy dia lasa mihoatra ny mety ny filazana lainga na marina tapany. Misy ny zavatra marina, ohatra hoe tratra ny volamena izao sy izao kilao. Tsy ela dia tonga ny lainga marivo tototra entina hanaratsiana (be fahatany kosa aloha e) ny fitondrana misy indrindra indrindra. Dia sahala amin’izay foana ny zavamisy. Hany ka na dia mba tokony hahatonga saina ny vahoaka maro an’isa aza izay lazaina, indrindra amin’ireo radio mpanohitra ankehitriny ireo, dia zary mahamenatra, ny tena no menatra, indraindray satria saika famahanan-dalitra amin’ny lainga no heno ao. Ny fanoherana mendrika tsy tokony hiteniteny foana, hamoron-dainga. Tokony hilaza ny tena zavamisy marina, ary manome sosonkevitra fa tsy hiantsy na hamporisika ny olontsotra hiady an-trano sanatria. Dia hoy aho hoe, an an an, mba mahaiza re mifanaja dia mahandràsa tantana re Tompokolahy sy Tompokovavy isany ô. Aleo ny firenena mba hiavo-tena, efa be loatra ny vesatra mihatra amin’ny tsirairay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS