Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h59
 

Répondre à un commentaire

23 février 2021 à 15:35 | Mahitsy (#11156)

(2/7)Tamin’ny taona 2001 , rehefa nahita ry Ratsiraka fa tsy tafa intsony izy dia nalefa ny hoe nisy fifanarahana miafina fa tsy maintsy cotier no filoha ,fa dia EEE, dia nalefa indray hoe tsy manaiky hono ny catholique raha protestant no ho filohampirenena .Nanontaniana mihitsy ny Cardinal RAZAFINDRATANDRA tamin’io fa hoy izy hoe tsy marina izany ary ny hoe miteniteny foana (io hoe miteniteny foana io moa efa fiteniny indrindra rehefa miteny ny opinion-ny izy mikasika an’i Sylvain Urfer).
Asa raha teto antoerana ianao tamin’ny 2002 fa nisy andro vitsivitsy tena « tendu » be teto Antananarivo indrindra nony « azo »ny 13 mai. Nanao fanambarana ratsiraka hoe misy ny loi martiale dia ny « gouverneur militaire » voatendry eto Antananarivo dia i jeneraly « valala » (valala no alalan’ny olona azy noho izy nanao mission handripaka ny valala tany atsimo).
Nandeha ary ny feo fa ho samborina Ravalomanana ary crédible ilay izy satria nisy camp gendarmerie mbola tena nanohana ary tena nanaraka baiko dia ny teny Mahazoarivo,ny GSIS teny Ivato sy ny tao Fiadanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS