Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 04h35
 

Répondre à un commentaire

23 février 2021 à 12:08 | Vohitra (#7654)

Angano, angano, sy arira, arira…

Indray andro tokoa hono…

Misy fitenindrazana izay hoe : « Aza mirobo-drano tsy fantatra, ary aza mihinana hena tsy fantatra »…

Misy hevitra lalina fonosin’izany kilalaonteny sy ohampitenenana izany, fa ny tena hoe foto-pisainana fonosiny, dia ny hoe, mila fitandremana tokoa, ary mila fahamalinana ny mizotra sy mandeha amin’ny kisendrasendra sy ny anjoanjo izay tsy mifanitsy amin’ny fahendrena nentindrazana satria mety mitondra ho any amin’ny fahavoazana, ny fahapotehana ary ny tsy fifehezana intsony ny fizotry ny fiainana amin’ny ampitso…

Inona ilay tiana ambara amin’ity resaka ity ?

Ity vehivavy resahana izay niharan’ny setrasetra sy ny horohoro ary vesatry ny fiampangana tsy marimpototra ity, dia olona nianatra, nanovo fahalalana mikasika ny lalàna, ary mbola nandalina fahaizana ka nizotra nanara-dia ny Reniny, ka tonga ihany koa amin’ny andraikitra sy toeran’ny mpisolovava ihany koa…

Fa nisy olona, lehilahy anankiray, izay tsy tena fantatra hoe inona marina moa no fanovozana fahalalana ambony natrehiny sy norantoviny, fa ny nahafantarana azy dia izy mpanao hirakely, mpanelanelana, mpisavika raharaha, mpitsindroka raharaha, teny Anosy teny amin’ny lapampitsarana teny taloha, izany hoe, asa tsy ara-dalàna, asa voarara, asa mamoafady, ary asa miendrika loharano amin’ny kolikoly…miantehatra amin’ny fanelanelanana miendrika fanembatsembanana amin’ny fizotry ny raharaham-pitsarana ka matetika mandevona sy manimba ny fahamarinana…ary ity olona ity dia nikasa ny mba hanao ny asan’ny mpisolovava ihany koa, saingy, tsy tanteraka mihintsy ilay fikasana, tsy tojo tamin’ilay tanjona noheverina…asa aloha, mety ny fahaizana no marefo, mety ny fari-pahalalana no tsy ampy, mety ny fhavononana ihany koa no tsy misy…

Avy eo ity lehilahy iray ity, nampiara-dia tamin’ny fiainana sy tokantrano amin’ny olona iray mpanao angoantenda, mpanao anjolofo, mpanao hiaka sy lasa tafondro vava, mahery fiteny na dia milanja sy manana ampy tsy nindramina fa dia tompon’ny molotra matevina…ary mpiangaly ny tontolo politika amin’ny fanehoankevitra mamoantsampona higagana, ary tena miantsehatra sy miantehatra amin’ny fifandraisana politika mihintsy…ary nahita faisana sy nahita loza tokoa izay rehetra nifanena aminy amin’ny hatezerany sy tsy fitoviana hevitra aminy, ary sangany tokoa amin’ny fivadihana lela sy famadihana ny marina, na ny mpifehy sy ny lehibeny aza moa dia ataony mahita ny anganony tokoa, satria tompony izy, tompon’ny teny, ary tompon’ny fahefana, ary tompon’ny fifandraisana avo lenta…fa ity no hafakely, miala tsiny amin’ny resaka sy ny filazana atao, miala fondro, miala salohy fito, fa holazaina ilay resaka…tompon’ny « hena » ihany koa ity olona ity…

Dia tonga amin’ilay soratra etsy ambony amin’izay ity arira ity, « fa iza no nihinana ny hena tsy fantatra ? »…ary ilay nihinana ny hena tsy fantatra dia voafatotry ny hena nohaniny, tsy afaka manoatra, tsy afala manohitra intsony…

Ny resaka politika misy, ny resaka fankahalana misy…fa misy ihany koa ny fialonana sy ny tsy fahazakana ny fahasoavana ho an’ny hafa…

Angano, angano, arira, arira…indray andro hono…

« Aza mihinana ny hena tsy fantatra » hoy ny Ntaolo nitondra anatra !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS