Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Répondre à un commentaire

22 février 2021 à 19:42 | reviv (#9830)

Miarahaba Vohitra,
Voalohany, misaotra bevata sy betsaka amin’ny famelabelarana sy ny famakafakana no entinao momba ny raraham- pirenena.

Angamba efa ela isika mirahaahy nifanakalo hevitra sy fomba fijery eto amin’ity sehatra n’y serasera iombonana ity ny momba ny toe-javatra misy eto amin’ity firenena ity.

Zaho kosa de milaza aminao fa na dia tsy mitovy fijery zato/ isanjato tsika mirahalahy, maro sy betsaka ny zavatra itovizan-tsika, indrindra ny mikasika ny fianam-bahoaka sy ny zo n’olombelona hizaka ny atao hoe zom-pirenena.
Ny zava misy anefa sarotra be ny hanarina an’io zavatra io satria be loatra ny sakana sady efa latsaka ambany loatra tratra ny fahantrana mamaivay ny vahoaka, nohararaotin’ireo manam-pahefana sy mpilalao politika nifandimby teo.

Izany anefa tsy midika fa hoe mibaby tànana fotsiny de ho vita mora, tsia tompoko. Fa mila sy mitady fahaizamanao. Efa noripaha ny mpanao fomba ratsy ny tanàna.
Fehiny mila fahankingana manao ilay zavatra,
izay tsy tokony hitovy velively amin’ireo fanao efa hita tsy mahomby ka tsy ho vita bokontsoraka, bodongero, na kirevorevo fanao n’ireo gaigy lahy sagnagna, biloka, begege.....

Aza hadino fa ny mpanao politika hatr’izay de mivalona manaradrenirano miaraka amin’izay maharesy foana, izay ahitany fihinana sy tombotsoa ho azy irery, izy tsy miraraha ny daholobe, tsisy fanajana ny foto-kevitra politika nijoroany eo amin’ny vahoaka mifidy azy. Tsisy tahotra na henatra.

Efa dimampolo taona lasa izao ve de tsisy mahay maka lesona fa de samy manao valy faty daholo sy ny danin’ny kibony, ny gaboraraka ny goragora ny kolikoly rehetra sy ny fivarotana bobaka ny harem-pirenena sy ny sisa rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS