Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h05
 

Répondre à un commentaire

22 février 2021 à 15:12 | Eloim (#8244)

Tena misy tokoa ny atao hoe : « pauvreté intellectuelle » eto @ firenena. Faharesena ve no andikana ny TSY FISIANA na TSY FAHATANTERAHAN’NY HETSIKA na teo Ambohijatovo na teo @ 13 Mey iny ? Tahotra na « vulnérabilité » n’ny fitondrana ka midika « dérive dictatoriale » ve no sary tena nivaingana teo.
Efa ela no nahatsikaritra izany ny maro : Ohatra tsotra, tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana intsony i Madagasikara ankehitriny nefa dia sahan’ny fitondrana ny manasazy ny olom-pirenena tsy mitondra aron-tava. Sazy izay karazana famoretana sy fanitsakitsahana zon’olombelona satria tsy misy fototra « lalàna » mazava.
Zo fototra ny fanehoan-kevitra malalaka. Zo fototra ny fahafahana mivezivezy @ faritra na toerana rehetra eto @ firenena. Zo fototra ny mitafy izay mety aminy raha tsy mifanohitra @ fitsipika moraly. Zo fototra ny mitantana araka izay mahadiavolana ny sain’ny tsirairay avy ny volany na fananany fa tsy adika hoe fizaram-bola ny fahatrarana vola misimisy any am-paosinao. Sns maro tsy voatanisa.
Tapim-baravarana no natao fa tsy hoe tsy nahazaka olona na koa tsy fahasahiana no zava-nisy marina, izay nadikan’ny maro ho DIDY JADONA. Nanambara izany ny malala-tsaina tsy ny mpanohitra na mpanao politika ihany fa ireo olon-tsotra koa (Mponina manodidina an’Analakely, Ambondrona, Antaninarenana, Tsaralalana, Isotry, Antanimena, ...) izay tsy afa-nivoaka na namonjy ny toeram-ponenany.
Kodiaran-tsarety ve sa tsimbalivaly tokoa ny fianan’an-tany an ! Indrisy ry fireneko. Mahantra loatra ianao !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS