Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h06
 

Répondre à un commentaire

22 février 2021 à 12:05 | Vohitra (#7654)

Inona ary no vokatra mivantana akaiky indrindra ho fiantraikan’io DIDY JADONA mitranga ankehitriny io ?

• Mbola hitohy ary ho lalimpaka hatrany ny fahoriana, ny fahantrana, ny fahosana iainan’ny maroanisa amin’ny vahoaka Malagasy

• Ireo mpijirika sy jiolahy mpanambola iraisampirenena sy mpangalatra sy mpivoy ady manerantany sisa no ho tonga hitondra vola eto, tsy hanao fihariana nefa ireo fa hipaoka ny tombontsoa anaty fohy ezaka fotsiny

• Hahazo famaizana iraisampirenena miainga amin’ireo rafitra iraisampirenena i Madagasikara, satria tsy manaja ny demokrasia sy ny fahalalahana ary lasa tany tsy tandalàna

Ireo telo lehibe ireo no hitranga tsy ho ela eto…efa mba niresaka sy efa nampandre ireo olompantatra izay manana fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ihany ny tenanay efa nanomboka andro vitsy, ary tsy hitsahatra ny hanao izany…

TSIA, TSIA, tsy havelanay ho latsa-paka eto ny DIDY JADONA misy ankehitriny…

Ho anay dia tsotra ny tanjona, ny hitondrana eny amin’ny fitsarana eto antoerana, na ho tonga any amin’ny ICJ any La Haye ireo mpanao DIDY JADONA mpamono olona sy mpangalatra ary mpambotry ny Firenena, na iza izy na iza !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS