Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 18h40
 

Répondre à un commentaire

22 février 2021 à 11:18 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Betsaka no efa nosoratana teto omaly mikasika ity fihetsika mamoafady famotehana ny fahafahana isambatanolona, ny fandringanana ny fahafahana mivezivezy, ny fampihorohoroana vahoaka aminkery sy tanjaka anaty andrimpanjakana, ary ny fanaovana tsindry mavesatra any amin’ny toetsaina sy amparahatoky ny vahoaka mba tsy hieritreretany ny fandehan’ny raharahampanjakana…

Mazava ho azy fa fitondrana jadona tsy refesina mandidy ary mamotika ny zo sy sata omen’ny lalampanorenana ny olompirenena no misy eto Madagasikara ankehitriny, tsy iadiana hevitra intsony izany ankehitriny…

Fa ny tiana hisarihina ny fieritreretana anio, dia ny hoe : « Fa maninona no tonga amin’izao zavamisy mamoafady izao ny fiainampirenena ankehitriny ? »

Alohan’izay nefa dia handeha mba hijery ohatra tsara aloha isika niainga tamin’ny lasa…

Hendry, matotra, nampiseho fahatokisana tamin’ny fotokeviny, ary niaro hatrany ny fahalalahana tamin’ny endriny rehetra, Itompokolahy Profesora Zafy Albert fony androny nitondra ny Firenena…tsy nisy mpanao politika nogadraina tamin’ny fanehoankeviny, tsy nisy fampiasana herimpamoretana nampijaly vahoaka, tsy nisy famerana sy fanafoanana ny fifamezivezena teto amin’ny tanin’ny Repobilika…nahitsy sy nampanjaka ny fahamarinana Itompokolahy…ary izany no isany antony lehibe nampiantoan’ireo jiolahy sy fahavalompirenena, ary tsy maty manota, azy tamin’ny asany.

Fa maninona hoy izahay etsy ambony no tonga amin’izao zavamisy izao isika ankehitriny ?

Raha fintinina amin’ny fomba tsotra sy mahitsy, dia antony roa lehibe no mahatonga ny Firenena latsaka sy difotra ao anatin’ny didy jadona tanteraka ankehitriny :

1. Mba tsy hirosoana any amin’ny mangarahara ho fantatry ny vahoaka ny fitantanana ny volampanjakana sy ny harenampirenena iombonana, satria misy lasa mpanankarena tampoka noho izany

2. Mba hampiorenana, sy hananganana, ary hametrahana ny fototry ny toekarena Malagasy eo ambonin’ny fihariana harena ataon’ireo tsy maty manota sy jiolahy faingantànana ao anaty rafitra repobilikanina

Ireo anankiroa lehibe ireo no antony mahatonga ny didy jadona mitranga ankehitriny…

Fanodinan-dresaka sy famahanan-dalitra ny vahoaka, ny filazana sy mbola famerenana foana ny fahadisoana nataon’ilay Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, fa inona tokoa moa no antony tsy nitondrana an’ity farany eo amin’ny fitsarana raha toa ka marimpototra sy mitombona ny ahiahy sy ny zavabitany na koa ny fahotana ara-pitantanana nataony…

Feno tsy maty manota sy faingantànana ao anaty andrimpanjakana ankehitriny, samy mihezaka maka sy misintona tombontsoa manokana daholo ireo rehetra ireo ankehitriny, ary ny (i) fanamboarana fotodrafitrasa sy ny (ii) fividianana entana ataon’ny fanjakana no tena sehatra hisehoan’izany…ary ny (iii) fivarotana ny tanindrazana sy ny (iv) fanondranana antsokosoko ny harena iombonana…

Ireo efatra notanisaiko ireo no mitranga ankehitriny amin’ny fandehan’ny raharahampanjakana…

Noho ireo zavamisy efatra ireo, dia mitarika any amin’ilay antony roa (2) lehibe voalaza etsy ambony…dia tonga ho azy ny DIDY JADONA ankehitriny…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS