Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h43
 

Répondre à un commentaire

21 février 2021 à 12:55 | Ra-Jao (#282)

Manomboka @ alatsinainy, dia tokony alalinin’ny haino aman-jerin’ny mpanohitra ho fantatry ny vahoaka ny tena maha -tompon’ny fahefana azy t@ alalan’ny safidy izay nataony ary mbola hataony rahampitso.
Ny olona fidianao sy ireo rehetra olona tendreny dia voafehlin’ny lalana.sy ny nampantenainy t@ fampielezan-kevitra Ireo no hitsaranao azy ireo.
Tsy biby fampitahorana ireo ka raha mohoa—pefy dia afaka maneho tsy fankasitrahana ianao nampindrana ny fahefana
Hajanony ny fatahorana fanjakana, ny fiheverana ireo ho ray aman-direny. Tsy ray aman-dreny ireo fa olona nanao fianiainana hanatanteraka ny nampanantenainy. Koa tsarao @ asany ireo. Mety ho sarotra ho antsika malagasy ny hiala @ izany fijery izany satria fandemen-tsaina efa nentim-paharazana nandritry ny taon-jato maro. Efa 3ème millénaire isika ka tokony ahay handanjalanja ireo fiheverana taloha mbola mety mangeja ny fahalalahana sy ny fahefantsika isika..
Faharoa manaraka izany ny@ ireo mpiasam-panjakana Olona karamaina ireo hanantanteraka ny atao hoe service public : isan’izany ireo mpitandro ny filaminanao. Aza mety takiana lasantsy ianao raha miantso mpitandro filaminana hanaovanao fitoriana. Toy izany koa, aza manaiky mandoa vola eny @ service samihafa angatahina taratasy ilaina, toy ny copie, ny passeport sns...Enregistreo discrètement @ ny smartphone-nao ny fifanakalozana ataonao @ mpiasam-panjakana, ka raha tsy mahazo fahafaham-po @ zavatra tediavinao ianao, dia ho ento eny @ haino aman-jerin’ny mpanohatra ny enregistrement no sady aparitao @ tambam-jotra.
Mety tsy ahazoana vokany mahafam-po aingana isika satria ny toe-tsain’ireo nampindramina fahefana eto amintsika dia efa simba, ka mihevitra ny tenany ho tsy maty manota. Kanefa ny vahoaka irery no manana ny fahefana hanova ny hevi-dison’ireo mpanao politika eto @ amintsika ho tsy maty manota.
Asan’ny haino aman-jery ny mi sensibiliser ny vahoaka @ tena fahefany, indrindra ny @ tokony ampiarany izany amin’ny andavan’androny. Hazavao ny sain’ny vahoaka ry miara manonja. Vitsy an’isa ianareo no sady mbola iharan’ny sotasota mba tsy andenesan’ny vahoaka ny marina. Aoka ho vaovao marim-pototra koa no havoaka, famitady izay irika rehetra hanampenam-bava anareo io fitondrana io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS