Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h57
 

Répondre à un commentaire

21 février 2021 à 11:02 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Niantso ary nanome fanasana ny solombavambahoaka ny vaninandro omaly, ka dia roso ny ampahany amin’ny vahoaka sy ny mponina ary ny mpifidy hanontrona ny fanasana…raharaha iombonana rahateo no fototry ny fanasana ka rariny sy hitsiny raha toa ka tonga manome voninahitra izany ny mpifidy…

Manomboka eo, dia vondrona manana andraikitra anankiroa no manana faniriana ny hifanatrika hihaona, etsy andaniny, ny solombavambahoaka mpanatontosa iraka avy amin’ny fahefana nindramina, ary etsy ankilany kosa, ny mpampindrana fahefana sy mpiantoka ny famoriana ny volampanjakana amin’ny hetra…

Raha manana olana amin’ny antoko TIM sy ny Filohany ny mpitondra politika sy ny mpitandro filaminana, dia azy ireo manokana izany fa tsy raharaham-bahoaka akory, ary tsy tokony atao ho antony entina hamingavingana sy hampahoriana ary hampijaliana ny vahoaka amin’ny fifehezana ny fahalalahany sy hanitsahana ny zony ary ny Hasina omen’ny lalampanorenana ny vahoaka sy ny satany…

Teo ny fanelingelenana ny vahoaka tsy hifamoivoy, ao ny handeha hiasa, ao ny handeha hody, ao ny manandraharaha, ao ny hikatsaka antompivelomana…ary tao ihany koa ireo noterena ankitsirano hijanona tany Antsirabe nefa olona nikasa hiazo an’Antananarivo noho ny antony samy hafa, ary zo fototra arovan’ny lalampanorenana izay miantoka ny fahafahana mivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repobilika Malagasy…

Fa nahoana tokoa ny vahoaka no nomena famaizana mafy, nampitondraina tebitebintsaina, novesarana horohoro toy ireny omaly, izay fampahoriana mavesatra nampiharana ny fahefampanjakana amin’ny antony tsy maha tompon’antoka ny vahoaka ?

Mitondra ny anarana nomen’ny lalampanorenana ny hoe « solombavambahoakan’i Madagasikara » ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Antenimiera, tsy nanavahana antoko politika izany anarana izany, ary nomena fahefana ho fisoloana tena amin’ny anaran’ny vahoaka daholo izy ireo…ary ny hoe Antenimiera, dia nipoitra avy amin’ny famaritana voafaritra hoe « teny miera » sy ny « teny ierana »…ary ny hoe « miera » dia fangatahana alalana sy fankatoavana, ary tsy misy afatsy ny tompon’ny fahefana nindramina no hakana « toky sy era »…

Tsy vahoaka TIM na koa vahoaka MAPAR na koa vahoaka RMDM no misy any amin’ny fiarahamonina sy mizaka ny zo fototra arovan’ny lalampanorenana akory, fa vahoaka tsy hanavahana anarana na vondrona, sady mpifidy no mpandoa hetra.

Manomboka eto izany, dia ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana omaly no niantsy ady tamin’ny vahoaka, sy nandrahona vahoaka tamin’ny hery sy tanjaka, ary fitaovampiadiana, izay ny vahoaka ihany no nanome ny vola nentina nividianana azy…eto dia avahako manokana, ary heveriko fa mendrika fiderana ilay manamboninahitra zandary anankiray (1) izay nilaza omaly ary nitondra fanazavana fa ny antony mahatonga azy ireo eo sy nandraisany izao fepetra izao, dia noho ny didy izay navoakan’ny « Préfet de police » eo Antananarivo Renivohitra…saingy fotoana vitsy taorian’izay, dia na dia teo aza ny ezaka nataon’io manamboninahitra iray io, izay hisaorana azy manokana, dia indro fa…mambra telo avy eo amin’ny goverinemanta no tonga nisafo sy nanao ny fandrindrana ny famoretana ny vahoaka sy ny fahalalahany teny antoerana.

Mipetraka ny fanontaniana : inona no andraikitra sahanin’ireto minisitra ireto amin’ny fitantanana ny fahazoan’ny vahoaka mivezivezy hisitraka ny « Araben’ny Fahaleovantena » ?

Aleo ho mazava tsy miolaka ny resaka : ny vahoaka dia manana ny zo sy sata hisitraka ny fananam-pirenena sy fananambahoaka, ary ny tanin’ny Repobilika…ary tsy nisy velively akory korontana, na herisetra, na fanohintohinana ny raharaham-panjakana nasehon’ny vahoaka ny vaninandro omaly…ary ny vahoaka dia tsy nivimbina fitaovampiadiana, ary tsy nanimba ny fananana iombonana izay izy ihany no tompony rahateo…

Koa ankehitriny, dia tsy takona afenina intsony fa fitondrana manosihosy vahoaka no misy eto, mpitandro filaminana tsy natao hiaro ny vahoaka sy hiantoka ny fahafahany no misy eto, nefa dia ny vahoaka Malagasy no miantoka tanteraka ny fivelomana, ny fitaovampiasana, ary ny fahafahan’izy ireo mizaka ny andraikiny…

Ny vahoaka dia miaina sy misitraka fiarahana monina, ary mampivelona ny fiainan’ny Fokonolona, izay no maha Firenena ny Firenena, Reny izay mampivelona ary mikolokolo ny aina, ary ianareo mampahory sy mampijaly ny vahoaka ireo, dia anio dia efa any anaty fiarahamonina ihany koa…aleo ny Fokonolona ary no hahatsiaro izay fampijaliana sy fangirifiriana natao azy…ary Zanahary sy ny Razana dia nanome fomba, sy haikanto, ary hairaha, ara-piarahamonina mifototra amin’ny fahalalana sy fitaizana nentindrazana, aoka ary manomboka eto tsy ho tsiny ary tsy ho fondro raha hiantso izany fomba malagasy nentindrazana izany ny vahoaka mba hoentiny hanamaivana ny alahelony sy ny fangirifiriany, ny ratrampony, ary ny fanamavoana sy fanimbazimbana azy…

Hoy ny ohabolandRazanay :

« Boka mitoraka Alahamady, ka hitan’ny Zanahary ny tarehiny » (zanakandro Alahamady tokoa omaly )

« Misorona ondry tsy volony ianareo, ka mankaloza ny aretina »

« Aza manao arahaba natolotra ny mamba, tsy fitia fa tahotra »

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS