Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h38
 

Répondre à un commentaire

20 février 2021 à 19:23 | Isandra (#7070)

« Mitsaha-miketriketrika tahaka ny sosoa voatapo-drano », ankehitriny ireo nihirahira fandresena sahady omaly, raha nahita ny fanjavonan’ireo izay nirehareha ho mifono vy, ka afaka mifanandrina tanteraka amin ireo lazain-drizareo ho herim-pamoretana.

Hita tena nampiseho maha mantianina azy androany ny mpitandro ny filaminana, voafehy tanteraka ny toe-draharaha, na dia teo aza ny finiavan’ny sasany hanarama andian’olona hanakorontanai, dia tsy nisy zava-doza (incident majeur) misongandina nitranga androany.

Tsy afaka hisy hilaza fa fitondrana tsy mandala ny fahafahana ity fitondrana ity, satria efa nanolotra toerana hafa nohon’ny tsy fahafahan’ny kianja izay nokasaina hanaovan’azy handray ity tatitra sadasada ity. Lasa faritra voarara hanaovana izany ilay toerana. Fa ireo mpanohitra no mbola nampirisika ireo mpomba azy hikomy handa izany fandrarana izany sy hadika ny lalana misy.

Soa ihany fa hendry ny Malagasy, vitsy no namaly ny antson-drizareo ka iny tsy vanona iny ilay fotoana, ny mpitarika rahateo nanjavona.

Marihina fa rehefa tapa-kevitra ny hidina an-dalambe ny vahoaka maro an’isa, dia tsy misy mahasakana izany na basy na tafondro. Fa matoa mbola voasakan’ny mpitandron’ny filaminana, dia satria tsy mbola onjambe. Ny ankabeazan’ny tolona rehetra teto dia voarara daholo, saingy tsy nahasakana ny vahoaka amin’ izay tanjona tiany tratrarina izany rehefa vonona sy tapa-kevitra izay rizareo.

Na izany aza tsy afaka manao banga mihomehy alina isika eo amin’ny fitondrana, satria ity savorovoro ity, dia fampitandremana mba hanitsiana ny famindra. Koa sahia mandray andraikitra, hanitsy ny tsy mety. Tsy ananan-kavan’io hoy ny filoha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS