Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Répondre à un commentaire

20 février 2021 à 19:08 | Vohitra (#7654)

Raha mpitondra mpisitraka fahefana, madio fitantanana sy madio eritreritra, manana fahatokisana ny vahoaka, manana finiavana hanmpandray anjara ny vahoaka eo amin’ny fampandrosoana sy ny fivoarana, manome hasina sy haja ny lalampanorenana, vonona hiantoka ny fahalalahana eo amin’ny isambatanolona, dia tsy hitondra tena sy handray fanapahankevitra toy ireny nitranga anio ireny.

Tsia, tsia, mpitondra tsy manaja vahoaka, mpitondra mpampahory vahoaka, mpitondra tsy mahatanty tsikera, mpitondra mpanimbazimba ny fanahy malagasy, izany no misy eto ankehitriny.

Dia faly sy milamintsaina amin’izao famoretana ny Malagasy sy ny mponina eto Antananarivo izao ve ianareo ankehitriny ?

Dia mandry eritreritra amin’izao fampihorohoroana vahoaka aminkery izao ve ianareo ?

Efa tsy famitahana sy fanabadoana vahoaka intsony no mitranga ankehitriny fa efa mizotra tanteraka any amin’ny hery famoretana sy fangejana ny vahoaka no misy, fiarovana ny fahefana sy ny tombontsoa manokana, ny fanafenana ny haza sy remby tamin’ny tsy rariny nobakoavana tamin’ny soloky, ny fampiasana ny volambahaoka amin’ny famonoana ny fahafahan’ny vahoaka…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS