Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h14
 

Répondre à un commentaire

20 février 2021 à 18:49 | Vohitra (#7654)

Miarahaba takariva Tompoko,

Noporofoin’ny tompon’ny hery sy ny fahefana anio fa voafetra ny fahafahana maneho hevitra ankalalahana, voafetra ny fahafahan’ny solontenambahoaka hiatrika ny vahoaka nanome iraka azy ireo amin’ny anarany, voafetra ny fahafahana mivezivezy malalaka eto amin’ny Firenena rehefa tsy mifanaraka amin’ny ambopo sy ny tombontsoan’ny mpizaka fahefana ara-politika.

Inona ary no tsapa sy azo noarihina tamin’ny vaninandro anio ?

• Noferana ny fahafahana mba hisitraka ny antsoina hoe « Araben’ny fahaleovantena »…

• Rakotra ary voadidina mpitandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana sy fiara mifono vy fampiasa amin’ny tany miady ny manodidina an’Analakely

• Hita taratra fa misy olona miendrika vahiny fotsy hoditra misarona tava eo amin’ny dimy tonga nanontrona sy nanohana ny herimpamoretana amin’ny famotehana ny fahalalahana mivezivezy sy maneho hevitra eto amin’ny Firenena

• Tatitra hifanatrehan’ny vahoaka nanome iraka sy ny solontenany nahazo iraka no nandrasana, kinanjo mpikambana ao amin’ny goverinemanta tsy nofidiam-bahoaka no tonga nameno sehatra niaraka tamin’ireo herimpamoretana mpanompo azy

• Vahoaka tsy manantsiny ary nizotra tamim-pilaminana no nampisehoana tanjaka sy hery mba hifehezana ny fahalalahany sy hampihorohoroana ny eritreriny sy ny fanahiny

Voahosihosy sy voazimbazimba tanteraka ny fahefam-bahoaka sy ny zo amankasiny hisitraka fahafahana eo amin’ny taniny nomen’i Zanahary azy ho lovany.

Lasa nitaiza zana-baratra ny vahoaka namahana sy nikolokolo ireo lazaina fa mitandro ny filaminana izay mivelona sy misitraka ny hetra aloan’ny vahoaka, kinanjo, ireto velomina indray no lasa manoto sy manosihosy ny zo sy ny sata hananan’ireo mpamelona azy…

Vahoaka miaina amimpahatsorana, mandeha amin’ny filaminana, miandry ny tatitra ataon’ireo izay nomena hisolotena azy nirahiny ara-dalàna, tanampolo ary tsy mirongo fiadiana na nanao fiantsiana, iny hita androany iny no setriny…

Azo babo sy sambobelona ny vahoaka ankehitriny, ny fahafahany voafetra, ny fahalalahany nohitsahana, ny fahamarinany nohosena, ny fiheverany ny fahaleovantena nosimbaina, ny zo amankasiny nozimbazimbaina…

Lavo ny rariny sy ny hitsiny ara-piarahamonina, novingavingaina ny fanahy Malagasy, aleo ny tsiny sy ny tody no havelantsika hamaritra ny hoavintsika ary hibajinantsika izay mbola hiheverantsika ny vahoaka ho daholobe sy ny raharaha iombonana…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS