Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h27
 

Répondre à un commentaire

31 janvier 2021 à 12:41 | Vohitra (#7654)

Diniho sy hevero hatrany ny tantara, efa tsy lavitra intsony hoya ho ny ady farany, efa antomotra ny voalazan’ireo katibo Antemoro fahizany, ary mbola namafisin’Raiamandreny ara-drazana Antemoro Rakotoson Jobily efa tany amin’ny roapolo taona lasa…

Hitodiho foana ny lasa sy ny tantara dia mahaiza mitandrina, tandremo sao lasa sorona noho ny ambopo diso toerana…

Ianao no lehiben’ny OMC NAT, ianao no miantoka ny filaminana, ianao no mitarika ny asa famoretana, ianao no ataony sorona atolotra hiatrika ny hatezeram-bahoaka sy arosony handatsaka ny ràn’ny vahoakan’Iarivo sy Imerina…

Noho ny fitiavany ny harena maloto sy ny fiarovany ny remby azony tamin’ny alahelombahoaka, sy ho fihazonany ny fahefany, dia ianao Antakarana sy nokoloina ary nobeazin’ny Amiraly no apetrany hisolo vaika ny ankalana…

Paikady maloto sy fandetehana ny firaisampirenena anaty lavaka no apetrany hotanterahanao tsy ho ela, ianao no ataony goaika hipaoka ny zanak’akoho, ary ianao no ho voarain’ny velampandrika eo…ary tsy ho afabela intsony ianao, ny fianakavianao, ny taranakao, ary ny ho avinao rehetra…

Hoy aho, dieny mbola tsy ny ala mitahiry ny andrarezona no lavo, dieny mbola tsy ny kirihitra no may, dieny mbola tsy ny vala no nirodana, mahaiza mitandrina, rehefa ny ankibon’Imerina no maneno sy mamoaka feo toy io, fotoana no isaina sisa, tsy afabela mihintsy ary tsy hoadinoin’ny tantara izay nandatsaka rà marina teto…

Firifiry izay efa natosik’i Amiraly sy Ra-noribera ka nataon’izy ireo sorona teto izay, fa izy ireo moa nankaiza sy naninona avy eo ? Ny hafa no nijinja ny voka-dratsiny noho ny tsy fiheverana kely fotsiny…anjaranao indray izao no aroson’ity anankiray mpaka tahaka sy mpandova azy ireo ity…

Mahaiza mandinika dia hitodiho ny tantara…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS