Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Répondre à un commentaire

31 janvier 2021 à 10:37 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Ny tantara hono tsy mba fanadino, ary mitohy ny tantara, ary matetika dia ny lasa no mitampody miverina noho ny finiavana hilalao ny vahoaka sy fikirizana mamoafady hanafina ny marina sy handrendrika ny faniriambahoaka hikatsaka ny fahazavana…

Hoy aho hoe « na tsy nisy aza i Ravalomanana Marc, dia noforonina ny fisiany mba atao hikolokoloana ny fankahalana sy ny fitaka… ».

Eto ampiandohana, dia aoka hotsorina avy hatrany fa ny tenako, efa matetika no nilazana izany teto, dia manamafy fa nisy ny fahadisona teo amin’ny fitantanana sy ny fomba nitondrany ny Firenena, ary heveriko fa, tsy sahaza ny Firenena intsony ny hiverenany eo amin’ny fitondrana, ary tsy izy irery akory no tsy mendrika intsony hisitraka izany fa izay rehetra efa nitondra teto amin’ny Firenena hatrizay ka hatramin’izao, samy tomponandraikitra feno sy tanteraka amin’izao zavamisy izao izay rehetra efa nitondra sy mbola mitondra tao anatin’izay 45 taona farany izay, na iza na iza izy…

Mitombo ary sesehena ankehitriny ny manatevina laharana ny mpanohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny, efa manenika ny Firenena manontolo izany ankehitriny, tsy hanavahana Foko, na saranga na fahaizana na antoko politika na fikambanana na finoana na Faritra na Faritany, ary efa antomotra sy efa andohalika ny ranombary ankehitriny…

Fa iza moa no mitarika ny mpanohitra ankehitriny ?

Tsy hiadiankevitra intsony izany ankehitriny, raha natao ny fifidianana tamin’ny 2018, dia ny mpifaninana nanohitra ny Filoha ankehitriny dia i Ravalomanana Marc izay mpitarika ny antoko TIM, ary izy no faharoa teo amin’ny tahambato izay vokatr’izany fifidianana izany…ary izy ihany koa no mitarika ny antoko manana solombavambahoaka betsaka eo anivon’ny Antenimierampirenena ka manohitra izao fitondrana mijoro izao, ary eo anivon’izany Antenimiera izany dia misy andraikitra « Filoha Lefitra » izay nofaritan’ny lalàna fa natokana ho an’izay mpitarika ny fanoherana sy antoko mpanohitra eto amin’ny Firenena, mazava ny amin’io fa ny antoko TIM no tokony hisitraka izany…ary i Ravalomanana Marc no mpitarika izany antoko izany…lavina sy tsy eken’ireo mpitondra fanjakana ankehitriny, ary tsipahany marindrano nefa ny fisitrahan’ity antoko TIM ity izany andraikitra izany…tsy eken’izy ireo izany ny fisian’ny mpanohitra mijoro ao anaty andrimpanjakana.

Misy indray ny vondron’ny mpanohitra ivelan’ny andrimpanjakana, dia ny RMDM, ary mbola i Ravaloamanana Marc ihany no mpitarika izany, ary izay hetsika rehetra ataon’ity vondrona RMDM ity ka hifanatrehany sy hihaonany amin’ny vahoaka manerana ny Nosy, dia mbola lavina sy sakanana, asiana fandrarana, ary asiana fampihorohoroana aminkery mampiasa fahefampanjakana, dia ny mpitandro filaminana lasa mifo ho herimpamoretana ankehitriny…

Tsy mijanona hatreo amin’ny RMDM nefa izany fanakanana sy famoretana ny tsikera sy kihana izany, fa lasa mihitatra amin’izay fikambanana, vondron’olontsotra, ary refitra sendikaly…hitantsika izany tamin’ny fanakanana sy tsy famelana ny mpikambana ao amin’ny « sendika Paramed » omaly raha nikasa haneho hevitra izy ireo, ary raha ny loharanom-baovao, dia nosamborina sy notazonina eny amin’ny tobin’ny zandary mihintsy ilay mpitarika sendika omaly maraina…

Inona no tiana hambara amin’izany resaka rehetra izany ?

(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS