Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h51
 

Répondre à un commentaire

21 novembre 2020 à 10:50 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Shalom,

Ny ahy ny tena mahaliana ahy dia hoe :

• Inona avokoa moa no entana na akora naondran’ireto orinasa 1.594 nolazaina fa nahazo sazy ireto, ary oviana no vanimpotoana nanaovan’izy ireo izany fanondranana izany ?

• Moa ve famokarana sa fitrandrahana sa fanangonana vokatra no sehatr’asa nifotoran’izy ireo ?

• Moa sehatra matihanina (professionnel et formel) avokoa ve ny rafitra rehetra nanaovan’izy ireo izany asa izany teto antoerana ankoatr’ilay orinasa voatondro nahazo sazy ?

• Moa ve nahaloa hetra ara-dalàna daholo ireo rafitra rehetra mifandray sy mifamatotra amin’ireo orinasa nizaka ny sazy ireo ?

Marina fa andraikitra sy adidy ara-panjakana izao zavamisy izao eo amin’ny fanatanterahana sy fanajana ny lalàna velona, fa ny tiana ambara dia hoe mbola manamarina ihany izao fa efa ambavahaona sy marefo ary tsy lavitry ny bankirompotra ny toekarena Malagasy…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS