Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 06h54
 

Répondre à un commentaire

19 octobre 2020 à 00:50 | Shalom (#2831)

@ 18 octobre à 22:16 | Rainingory (#11012) répond à Shalom ^
Vohitra,
Tsy isaky ny faritra kosa angamba fa isaky ny faritany e, ...


Lehibe loatra ny faritany Rainingory a !
Raha ny eto Antananarivo angamba mety ho azoazo satria io no faritany kely velarana indrindra mitovy amin’Antsiranana.
Mba raiso anefa i Mahajanga na i Toliary.
Amin’ireo faritany roa ireo anie sady lehibe sy midadasika no injay ny faritra etsy tsy dia mitovy fihevitra amin’ny faritra eroa, koa tsoriko fa indraindray mety mitarika disadisa mihitsy izany.
Sa ve ny isan’ny mponina no tokony hanamaritana ny fitsinjaram-pahefana ?
Ny faritany mantsy dia fanapahana mbola tao ambany fiadidian’ny frantsay fony androny ka tsy fantatra hoe inona no fototra namaritana ny faritany fa dia izay moa no hitantsika teo dia notazonina hatramin’izao.
Koa amiko, mety raha ny faritra no raisina ho zana-tohatra fototra.
Ny toe-javatra tokony himasoana raha izay no lanim-bahoaka dia manao toa ireny nataon-dRavalomanana ireny izay tsy hita ny maha-ratsy azy dia ny fanofanana (leadership) ireo olona rehetra voafidy, fianarana fitantanana ...
Loha-hevitra tsara sy tokony ho dinihina tokoa izany.
Inoana fa ho anisan’ny lalam-panorenana hisafidianan’ny malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS