Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 18h57
 

Répondre à un commentaire

18 octobre 2020 à 11:18 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Ny zavamisy odian’ny mpitondra sy ireo mizaka fahefana tsy henoina, dia ny hoe samy manana ny heveriny ho fivoarana sy fandrosoana ny fiarahamonina isamparitra, tsy izay heverin’ny mpitondra mitoby eto Antananarivo no voatery ankatoavin’ny Faritra isanisany ho taratry ny fivoarana.

Izay no isany antony lehibe nahatonga ny zara mitanila sy ny tsy fitoviana isamparitra ary ny hantsana lalina ara-piarahamonia eo amin’ny saranga manerana ny Nosy, ary hisian’ny elanelana eo amin’ny Tanandehibe sy ny tontolo Ambanivohitra eto amin’ny Firenena.

Ny volampanjakana sy ny harenampirenena dia lany entina hitondrana fivoarana miompana amin’ny sahaza ireo mpanao politika mitoby amin’ny tanandehibe, fivoarana izay miainga amin’ny fakana tahaka anjambany izay zavamisy fotsiny any ampitandranomasina any, indrindra fa ny any Frantsa…

Ilaina sy ankatoavina ny fivoarana izay mitsinjo ho (i) laharampahamehana ny fitsinjovana ny aina sy ny fahavelomana, (ii) ny fampivelarana ny fahalalana misarika mankany amin’ny fanavaozana ireo haitao ampiasaina, (iii) ny fametrahana fihariankarena mitsinjo ny fivelaran’ny fiarahamonina mirindra sy mitsinjo ny fiainampianakaviana Malagasy. Izany dia mametraka ho antoka sy kitro hifaharan’ny fandrosoana ny zo fototra maha olona tomponandraikitra ny Fokonolona. Ireo telo ireo no fijery sy fitsinjo hita na aiza na aiza eto amin’ity nosy nomen’i Zanahary ny Malagasy ity.

Ny (i) aina sy fanahy mahaolona, (ii) ny fianakaviana, ary (iii) ny Fokonolona, izay no tokotelo mamaritra ny fivoarana, ny zotrampivoarana, ary ny firindran’ny fiarahamonina, ary ny tsy fahatakarana izany no antony lehibe tsy nampandroso an’i Madagasikara tao anatin’ny 45 taona farany nahazoana ny fahaleovantena, ankoatra ireo toetra ratsy sy fitondrantena ratsy izay mahazatra ny mpitondra mpanao politika.

Raha ny mikasika ity momba ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany ity manokana, tsy izoviana intsony fa misy resaka finiavana fibakoana sy fijirihina harena ao ambadika ampo tsy miloaka, ary andefasana an’Ikongo ho any Fitovinany, ary ireto raimanadreny ara-drazana sy ireo olomboafidy ao Ikongo no heverin’iretsy fetsy sy mpijirika mitetika ny hisovoka mangina ny harena ho sakana sy olana amin’ny fanatanterahana ilay hevidratsy…izao vao tena mahatsapa sy resy lahatra ny Printsy Razafitsiandraofa fa manomboka miharihary tsy takona afenina intsony ny tetika ambadika nofonosina tsy nilaoka taorian’ny revolisionina volomboasary…tokony hitandrina sy ho mailo hatrany nefa izy tenany sy ireto Raiamandreny ara-drazana ireto, tsaroana ao antsaina avy hatrany ny nanjo an’Itompokovavy Ramaroson Nadine, izay tamin’ireo namany fahiny ihany no nifofo ny ainy rehefa nikasa hamoaka ny marina mikasika ny resaka bolabola andramena sy ny kolikoly avo lenta teo amin’ny fananantany fakana tanimpanjakana amimpitaka…io hitantsika io ny manjo an’i Rahajason Harry Laurent ankehitriny…

Andro vitsy izao, talanjona ny tena nahita fa misy izany antsoina hoe « task force digitale » izany, manao iraka any amin’ny Faritra Atsimo izay ianjadian’ny mosary sy tsy fanjariantsakafo, ary milaza fa ny hitily sy hamantatra ireo rehetra mosarena sy sahirana amin’ny fivelomana any, dia gaga tokoa n tena rehefa nahita fa ny mitarika izany iraka izany dia…ny minisitry ny Harena ankibontany…raha resaka sakafo sy mosary, dia tokony ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny minisitry ny fahasalamana no manatanteraka izany, na koa ny minisitry ny mponina…Ao raha…

Tamin’ny fidinany tany Atsimo tamin’ny volana febroary 2020, dia nisy tomponandraikitra ambony lehiben’andrimpanjakana nilaza tany Atsimo fa hametrahana « base militaire » any Atsimo, mahagaga sy mahatalanjona tokoa, fa maninona no tsy vondrona no hapetraka any fa naohana no tobimpamaharana (base militaire) mihintsy ? misy hery vahiny ve apetraka any omena tany hanaovana izany ? Aza adino fa i Djibouti no Firenena afrikanina voalohany izay ny fidirambola vahiny voalohany any dia ny fanomezana tany hametrahana tobimpamaharana vahiny, efa misy fito mipetraka any ankehitriny…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS