Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Répondre à un commentaire

16 octobre 2020 à 12:29 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Arema, Tim, Mapar, Hvm, Ird…Maparema…

Ireo no nifandimby ary nandray anjara tamin’ny fitondrana ny Malagasy sy ny Firenena tao anaty kizo lalimpaka sy hantsana tsy nahitana mitsinjo ny hazavan’ny ampitso intsony…

Fa iza ni nitari-dàlana nampianatra ny fomba ratsy mamoadoza sy nahakizo fara ? Ary tamin’ny fomba ahoana ?

 1976 : nofongorina sy nogadraina izay mpampianatra Monima sy MFM rehetra teny Ambohitsaina ka tsy nanaiky ny revolisiona sosialista sy nitsipaka ny Mandatehezana, nogadraina ihany koa i Monja Jaona
 1977 : nosamborina avy hatrany i Commandant Andriamaholison Richard Hygin Andriamiaravelo, ny Capitaine Rakoto Abel, ny Capitaine Rakotonirina Marson, tsy nisy antony mazava ary nafenina ny vahoaka ny toerana nametrahana azy ireo
 1983 : natao ny fitsarana azy ireo, ary noelohina higadra hanao asa anterivozona mandrapahafatiny
 Nanankarena tampoka daholo ny mpitondra politika
 Lasa fananan’ny mpanao politika ny tanimpanjakana maro
 Nataon’ny mpitondra ho loharano fanovozana vola ho an’ny tenany sy ny namany ny orinasampanjakana sy ny bankimpanjakana
 Ny mpanao politika eo amin’ny fitondrana ihany no misehatra sy mifehy ny fitrandrahana ny harena ankibontany
 Misy vahiny manao fandraharahana ara-toekarena sy karana natao ho aro riaka fanadiovana ny fampiasambola vokatry ny halatra tao anaty fitondrampanjakana

Ireo ny fomba nentina nampandoalihana sy namotehana ny Malagasy sy ny toekarena teto amin’ny Firenena, sy nanimbana ny manampahaizana Malagasy, ary naha-kizo fara sy fadiranovana ny vahoaka maroanisa…ary nanmpivelarana ny karana sy ireo vahiny vitsy nataon’ny antoko Arema sy ny Amiraly Ratsiraka Didier.

Izay rehetra nitondra nifandimby ka nizaka ny fahefana politika, dia nampihantra ireo fomba ratsy ireo daholo…ny nampiavaka ny 10 taona farany dia ny fanaovana ampihimamba sy fanondranana ny bolabola andramena…

Nanara-dia sy naka tahaka an’i Ratsiraka Didier daholo izay rehetra teo sy eo…

Dia avy eo, rehefa miongana, dia miantso fampihavanam-pirenena…ny tanjona dia ny famotsorankeloka sy fifamelana…mba tsy hitakiana aminy rahampitso ny volampanjakana naodina, ny tanimpanjakana nalaina, ny harena iombonana naondrana…TSIA, TSIA, TSIA…

Hoy ny Prefesora Zafy : aleo aloha hivoaka ny marina, izay vao atao ny fampihavanana raha ilaina…

Ary ny fitsarana ihany no aoka hamoaka ny marina, na iza izy na iza no nahavita heloka…raha tsy hamoaka ny fitsarana, dia ny fitsarambahoaka no tsy maintsy hipoitra na ho ela na ho haingana…tsy ekena ny famotsorankeloka antsokosoko ataon’io CFM io.

TELO (03) ihany no làlana mba hivoahana izao kizo sy fahantrana izao aorian’io fitsarana famoahana ny marina io :

1. Fametrahana ny Tany Tandalàna (ny lalàna no manjaka ara-bakiteny mazava)
2. Mangarahara ny fitantanana ny fanjakana sy ny volampanjakana
3. Fitsinjarampahefana tena izy mivoaka avy amin’ny fifidianana madio

Ny ankoatr’izay resabe fampandriana adrisa daholo, tsy maintsy hisy ady eto amin’ny Firenena rehefa TSY tanteraka ireo fepetra ireo, na io ADINTSARANGA na io ADIMPOKO…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS