Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h59
 

Répondre à un commentaire

15 octobre 2020 à 11:52 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Nitahiry sy nizara fahendrena tokoa ireo Ntaolo ary matetika dia hita soritra eo amin’ireo kilalaonteny sy oha-pitenenana ambarany izany loharano fototry ny fitaizany izany, ary azo tarafina amin’ireto ohabolana vitsy ireto ohatra :

« Raha miroborobo ny afo, miara-mamindro izy rehetra ; fa ny tompontrano ihany no manala ny lavenona »

« Be kibo mahihitra, ny an’olona ihany no tadiaviny ho azy »

Inona tokoa moa no hevitra azo takarina amin’ireo fitenenana ireo ?

Manampy sy mitondra ireo heveriny fa anjara biriky hifanomeza-tànana ireo havana vahiny avy any dilambato, isaorana azy ireo erampo sy erantsaina tokoa izany fihetsika miaro fahamendrehana izany, mahatsapa izy ireo fa efa voina mihantra aman’aina izao mitranga izao, ary ary miantefa sy mitondra fahasimbana amin’ny zo fototra maha olombelona miaina.

Mahatsapa ihany ko izy ireo fa tsy ampy ary tsy tontosa amin’ny antsakany sy andavana ny ezaka atao hitondrana vahaolana haingana sy ny maharitra mikasika izao voina sy antambo efa mihantra izao, nefa tsy nijery arina antava akory izy ireto fa nifanome tànana aminkitsimpo…

Fa ireto tampo-tanàna manana andraikitra sy mpizaka fahefana no tena hiantefan’ireo kilalaonteny nataon’ny Ntaolo ireo, izay tsy mijery sy mitsinjo ny laharampahamehana tokony hivimbinana ny anjara biriky, ary koa tokony hahay hitantana izay misy eo ampelantànana mba haonjena sy hanaovana vonjy rano vaky, mba hanavotana sy hitsimbinana aina…

Ragôva, minisitra, mpikambana maro dia maro avy any anaty andrimpanjakana isantsokajiny, manampahefana maro, betsaka tokoa izy ireo no nandeha nianavaratra namonjy tany Antsohihy hiatrika andro fankalazana vanimpotoana iray, ampolony maro dia maro tokoa, izay fivahiniana fandehana niteraka fandaniana volampanjakana tokoa, ao ny solika, ao ny solontsakafo, ao ny saran’ny fatoriana, izay volabe tokoa no tsy maintsy lany amin’izany, vola izay mba azo navadika sakafo hoentina hanampiana ireo havana ianjadian’ny mosary sy haintany any amin’ny Faritra Atsimo ankehitriny, farafaharatsiny mba nahena araka izay tratra tokoa ny olompanjakana nandeha nivahiny tany Avaratra, mbola nasiana afomanga ihany koa moa tany raha ny heno, dia nahoana tokoa re no tsy mba notsitsiana ny volampanjakana ka nanampiana ireo traboina e ?

Raha ny fantatra dia, eo amin’ny vola 1.300.000 dolara amerikanina eo no mba misy entina hatao tohana ara-tsakafo ho fanampiana ireo havana any Atsimo ankehitriny, vola izay sahaza olona eo amin’ny kaominina telo mandra-pahatongan’ny volana desambra ihany no misy hatreto, nefa etsy andaniny ny Firenena dia ao anatin’ny mandany vola 77.000.000 dolara entina hanaovana kianja filalaovam-baolina manarapenitra !

Dia inona moa izany fa dia zara tokoa aza misy ny fihetsika ataon’ireto vahiny mahatsapa mitondra izay heveriny fa adidiny…

Izao tokoa ilay antsoin’ny Ntaolo hoe : « Ny miangatra tsy misy, fa ny tombo ho antena misy ihany »…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS