Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Répondre à un commentaire

15 octobre 2020 à 09:14 | Vohitra (#7654)

Raha tiana ny hampitovy zo sy anjara ny zaza Malagasy rehetra tsy misy fanavahana mba hanovo fahalalana, dia averina ihany fa ny andro fahavaratra na asara no tokony hanaovana ny fialantsasatra ho an ireo mpianatra rehetra eny amin ny ambaratonga fototra sy faharoa ary ambaratonga manokana manerana ny Nosy.

Manomboka eo amin ny volana janoary hatrany amin ny tapaky ny volana martsa no tokony hanaovana izany, izay matetika vanimpotoana fandalovan ny rivodoza sy fiakaran ny rano.

Ny diarim-pampianarana dia tokony hifanitsy sy manaja ny diarim-pambolena satria ny 70 % mahery amin ny Malagasy no tantsaha, ary hahafahana misoroka ihany koa ny loza sy ny olana vokatry ny tsy fahampiantsakafo mandritry ny vanimpotoana sarotra sy manahirana, ary manamaivana ny tebiteby isampianakaviana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS