Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 23h07
 

Répondre à un commentaire

1er juillet 2020 à 17:18 | Vohitra (#7654)

Raha tombanana ny dia nizoranao teo amin’ny andraikitra ara-panjakana dia teny amin’ny rafitra mpanohana ny vondrom-bahoaka itsinjarampahefana no isany nahazoanao traikefa, ary ity resaka fitsinjarampahefana ity no andraikitra isany nosahaninao teo aloha.

Adidy goavana tokoa izany ary angamba ianao resy lahatra fa ny fahabangan’ity fitsinjarampahefana tena izy ity no lesoka sy sakana tsy irosoan’ny Firenena amin’ny làlan’ny fandrosoana iarahana mizaka sy manakaiky ny filan’ny vahoaka.

Dia sadaikitra sy sakoadiavatra ihany ny tena manoratra hoe « mba inona loatra no manosika anao handeha amin’ity rafitra iray mibirioka manalavitra ny demokrasia sy raindahiny amin’ny TSY fahamendrehana amin’ny fanajana ny safidimbahoaka ity ? »

Efa mibaribary tsy takona nafenina intsony teo aloha ny fisian’ny matoatoa 1.200.000 mahery nandatsa-bato, dia inona indray no harosonao, angatra firy tapitrisa indray no hatsanganao haneho hevitra hameno vata amin’ny ho avy ?

Mampahatsiahy ny làlana nomban’i Mahafaly O. ny làlana nizoranao sy ny mbola hizoranao, ny maro dia milaza fa rafitra politika natao hisahana ny fifidianana io fa tsy rafitra mahaleo tena velively…rafitra saribakoly napetraky ny hery vahiny natao mba hifehezana ny voka-pifidianana io ary isany nampidi-doza teto amin’ny Firenena…

Nahimponao sy sitraponao no nirosoanao tao, safidy mazava ny anao…ho ahy dia efa rafitra ilaina fandravana tanteraka io…tsy vanimpotoana tetezamihitatra intsony izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS