Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Répondre à un commentaire

1er juillet 2020 à 11:50 | Vohitra (#7654)

Indray andro hono tany amin’ny tanàna iray noforonin’i Zanahary, dia nahitana tranga tsy fahita manerantany…

Namoantsampona sy nanota fady ny mpanjaka iray antsoina hoe Bôbôka, notsoahana avy amin’ny fakana tahaka ny fisolokiana iray tsy lavitra ny tanàna nataon’i Bokassa…

Nahantra sy fadiranovana tokoa ny vahoaka tao amin’ity tanàna, kivy sy valalanina, ary tratry ny famoizampo ny vahoaka noho izany, ary tampoka teo, dia nahita hevitra i Bôbôka, mba hampandriana adrisa ireto vahoaka, hampiesonana azy ho renoka ao anaty torimasom-pahantrana lalina, dia nilaza fa ho afaka sy ho foana ny fahantrana, satria hamokatra F.A.K.O ny tanàna, ka ho tantara sisa izany hoe vahoaka mijaly sy mahantra izany…

F, avy amin’ny Fahagagana…
Ramatoa iray avy lavitra any Brezila any no nitondra ny hevitra Fahagagana, dia indro fa nivoaka ny tavoahangy bota 33 cl, misy rano mahagaga, miaro no manasitrana amin’ny valanaretina, dia nolazaina fa misy « porofo », satria sitrana i Tantine sy ny olona iray, izay tsy naseho vahoaka…izao indray dia tonga ity voanjavatra mahagaga ity, mbola nolazaina ihany koa fa miaro sy manasitrana ihany ity voanjavatra ity, ary inoana fa tsy ho ela dia ho avy ny fanambarana miezinezina hoe « sitrana noho ity voanjavatra ity i Tonton sy ny Totozy dimy… »…fotoana fohy ny an’i Bôbôka dia tanteraka ny Fahagagana rehetra, tsy mila fikarohana ela sy fandalinana ela, ny vava no miteny dia tonga ny Fahagagana…

A, avy amin’ny Angoantenda…
Eto indray dia avy dia tafondro vava sy balarora no miasa, tsy mila fandinihina fa avy dia kapo-batana tsotra izao…fotodrafitrasa maro tsy tamby isaina, goavana no hitsangana etsy sy eroa, haniry hivoaka avy ao ambanin’ny tany ao, izay tsy nitranga tao anatin’ny 45 taona lasa dia hipoitra avokoa, 45 taona nakana bahana ilay jiolahintsambo rendrika an-tanety, ka indro fa safononoka anaty torohevitra avy eny andranomasina i Bôbôka, dia vokatra sy masaka ampotony ny Angoantenda…

K, avy amin’ny kobaka ambava…
Mihazakazaka indray eto ny famahanana « esona sy vandy » ary atao voky miziniziny mihintsy ny vahoaka, ireo kibo fisaka vokatry ny hanoanana teo aloha niainan’ny vahoaka dia hofenoina ity Kobaka ambava ity, ary ny azy vao mafana daholo izay fahana ataony, ary mahita nahandro hafa mihintsy izy entina hikarakarana ity Kobaka ambava ity, na ny vahiny sangany fahiny toa an’i Joseph Goebbels aza dia tsy hahavita ity fomba iray fahandroana sy famokarana ny Kobaka ambava ity…tsy voky ianao androany hoy i Bôbôka, fa rahampitso ho tsaroana fa voky ianao hoy izy…voky ho azy ampitsanganana…

O, avy amin’ny Ozinina…
Eto indray dia hakingana no miasa, faingantanana sy kinga toy ireny mpanao « mena mahazo » ireny mihintsy, havanana tokoa, vao mipetaka fotsiny ny anarana dia avy dia mamokatra ny Ozinina, tsy mila zavatra betsaka fa ny anarana fotsiny dia efa ampy hahafahana mamokatra…omena anarana gasigasy sadasada dia avy dia mipoitra ho azy ny vokatra…na voanjavatra na fiara na moto na rano majika, tsy miandry ela fa avy dia mamokatra…

Rehefa mitambatra izay rehetra izay dia manome ny antsoina hoe F.A.K.O, ity indray dia famokarana siosion-dresaka, tsaho tena vaovao tokoa, alefa miparitaka eny rehetra eny fotsiny, dia gaga sy manontany tena ny vahoaka hoe aiza izy…dia mipoitra ho azy indray izy manao hoe « Ity aho e ! »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS